Tantara mikasika ny Vietnam

Manantantara ny fitorian'ireo Vietnamiana niharan-doza tamin'ny loza an-dranomasina 2016 ny Formosa Plastics Group ao Taiwan

  05 Novambra 2019

Noho ny fanampian'ny fikambanana miaro ny tontolo iainana sy ny zon'olombelona any Taiwan, Vietnam, Etazonia, Frantsa ary Kanada,  notorian'ireo solontena ara-dalàna avy amin'ireo Vietnamiana mpitory, vondron'olona ahitana ireo niharan-doza miisa 7 775 tamin'ny loza an-dranomasina, ny FPG ary napetraka tao amin'ny fitsarana distrikan'i Taipei tamin'ny 11 jona izany fitoriana izany.

Lazain'ny fitsarana Taiwaney ho tsy mahatapaka tamin'ny raharaha loza an-dranomazina ry zareo, mampiakatra ny raharaha ireo niharam-boina

  31 Oktobra 2019

Tamin'ny 14 Oktobra 2019, nesorin'ny Fitsaram-paritr'i Taipei ny fitoriana napetrak'ireo mpanjono Vietnamiana 8.000 tamin'ny Formosa Plastics Group ao Taiwan (FPG) noho ny loza an-dranomasina tamin'ny taona 2016 tany Vietnam. Nilaza ny fitsarana fa tsy manana fahefana hisahana an'io raharaha io izy ireo, saingy nampiakatra ny raharaha any amin'ny fitsarana ambony ny mpisolovavan'ireo mpitory tamin'ny 24 Oktobra.