· Jona, 2018

Tantara mikasika ny Vietnam tamin'ny Jona, 2018

Fisamboran'i Vietnam mpisolovava sady mpanoratra malaza iray

  21 Jona 2018

Nosamborin'ny polisin'ny minisiteran'ny filaminam-pirenena ao Vietnam noho ny fandraisany anjara tamin'ny asa fanakorontanana i Le Cong Dinh. Io Dinh io dia mpisolovava iray malaza amin'ny fanohanana ny demaokrasia, fiarovana ny zon'olombelona ary amin'ny asa soratra. Vondrona famoaham-baovao sy mpampianatra ambony ao an-toerana maro no nanameloka ny fisamborana an'i Dinh.