Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Taiwan (ROC)

Tantara fohy momba ny foko indizeny Seediq any Taiwan

Manana tantaran'ny tolona nataon'izy ireo momba ny zony manoloana ny mpanjanaka Japoney ny foko Seediq , iray amin'ireo foko indizeny any Taiwan.

Tsy andriko izay hanambadiana: mpivady mitovy fananahana an-jatony maro no nankalaza ny mariaziny tany Taiwan

Manokatra ny vavahady ho an'ny fitoviana ara-panambadiana ho an'ny mpivady mitovy fananahana any Taiwan ny 24 Mey. Mpivady an-jatony no nanao fampakarambady tao amin'ny nosy, nankalaza ny fiafaran'ny fanavakavahana sy ny fankatoavana ara-tsosialy.

Sokitry ny “Tank Man” abontsina hita ao Taiwan alohan'ny fahatsiarovana ny fandripahana tao Tiananmen

"Koa mihevitra aho fa zava-dehibe ho an'ny vahoaka Taiwaney ny manohy miresaka ity lohahevitra ity - isorohana ny fanadinoan'ny olona ity toe-javatra ity"

Fampandrenesana momba ny Vovonana ho an'ny Fampitam-baovaon'Olontsotra Global Voices any Azia Pasifika: Manasa anao hiaraka aminay any Taipei, Taïwan amin'ny 2 Jona!

Hiresaka momba ireo fanamby vaovao momba ny teknolojia sy ny politika ary ny fiantraikan'izany amin'ny zon'ny aterineto sy ny fikatrohana, ny fiarovana nomerika sy ny tsiambaratelon'ny fiainana manokana, ny fandraisan'najara nomerika ary ny fampandrosoana ny Vovonana.

Info-Rhizome: Tatitra momba ny fahaleovantenan'ny fampitam-baovao ao amin'ny tontolo miteny Shinoa

Vao avy nanambara ny fanombohan'ny nfo-Rhizome: Tatitra momba ny fahaleovantenan'ny fampitam-baovao ao amin'ny tontolo miteny Shinoa tao amin'ny interlocals.net aho. Afaka mitroka kopia maimaim-poana eto ny tsirairay.

Voafetra ve ny asa fanaovan-gazety any Taiwan ?

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nilaza ny tatitra fa mametra ny asa fanaovan-gazety i Taiwan ary nahemotry ny Freedom House ny laharan'ity firenena nosy ity tao amin'ny tatitra momba ny fahalalahana an-gazety manerantany isan-taona. Araka ny The Christian Science Monitor “Freedom of speech and press...

Nosivanina tsy araka ny tokony izy ny votoaty LGBT ao Hong Kong

Nanao fikarohana tao Hong Kong [pdf Shinoa] tamin'ny volana Novambra 2008 tamin'ireo mpanivana ara-barotra sy mpanivana ara-panjakana lehibe ao Hong Kong ny vondrona mpiaro ny LGBT, leslovestudy. Nahita ity fikambanana tsy miankina ity fa voasivana amin'ny ampahany betsaka tao Hong Kong ireo votoaty LGBT marobe

Global Voices amin'ny Teny Sinoa!

Tamin'ny volana Septambra lasa teo, nanomboka nandika lahatsoratry ny Global Voices amin'ny teny Sinoa ny bilaogera Taiwaney Portnoy - tsy izy rehetra, tsy ho vitan'olona iray izany, fa mitsimpona ary misafidy ireo zavatra noheveriny fa tokony ho fantatry ny tontolo mpiteny Sinoa bebe kokoa izy.

Anatin'ny Tontolon'ny Bilaogy Japoney – Ny Onja Manohitra an'i Korea

Anatin'ny lisitr'ireo bilaogy Japoney be mpijery indrindra nalahatry ny "Ninki Blog Ranking" ireo bilaogy ho an'ny renim-pianakaviana te hanampy ny zanany hahomby kokoa eo amin'ny fianarana, ireo hanaraha-maso ny fihetsik'ireo olo-malaza, ireo momba ny sakafo, ary ireo mifantoka amin'ny fifandraisana miharatsy eo amin'i Japàna sy ny mpifanila aminy ao Azia.

Shina: Misondrotra Saingy Mahatsiaro Ho Mihiboka

Voahodidin'ny 85% amin'ireo toerana mafana ara-politika manerana ny tany i Shina, hoy ny profesora ambony dia ambony iray; ary ilainy ny halalaka amin'ny fifandraisana amin'ireny sy ny olana ara-jeopolitika hafa izay atrehiny, manomboka amin'ny fidirana amin'ireo ranomasina manodidina azy.