Tantara mikasika ny Taiwan (ROC)
Onja COVID-19 vaovao manempotra an'i Taiwan
Hatreto dia tranga COVID-19 miisa 3.161 no voaisa ao Taiwan ho an'ny volana May 2021. Tany aloha, latsaky ny 1.200 no fitambarany hatramin'ny nanombohan'ilay valanaretina.
Taiwan, ‘toerana mampidi-doza indrindra eto an-tany'? Tsy izany, hoy ny Taiwaney
Niteraka fanehoan-kevitra mahery tao amin'ny Twitter Taiwaney ny fonomboky momba ny tantaran'i Taiwan ao amin'ny Gazety britanika The Economist tamin'ity herinandro ity, izay nahatalanjona ireo mpikirakira marobe ny lohateny hoe "Taiwan: Ilay toerana mampidi-doza indrindra eto an-tany."
Taorian'ny fandraràna mananasy, fikan'antitra no iantsoan'i Taiwan an'ilay tolotra fampiasambola vaovao nataon'i Beinjing ho an'ny fambolena
Herinandro maro taorian'ny nandraràny ny mananasy, manolotra fandrisihana ara-bola ho an'ireo mpamboly sy mpitrandraka ala ao Taiwan indray izao i Beijing mba ho fampiroboroboana ny fizahantany mifototra amin'ny tontolo ambanivohitra sy ny fambolena ireo voly natao ho an'ny tsena avo lenta any Shina.
Taorian'ny fandraràna nataon'ny tanibe, tototry ny fomba fikarakaràna sakafo atao avy amin'ny mananasy ny tambajotra sôsialy ao Taiwan
Resaka filaminam-pirenena no tanisain'i Shina ho anton'ny fandraràna, saingy "fandrahonana ara-toekarena" io, hoy i Taiwan
Nosakanan'i Shina ny Clubhouse rehefa niady hevitra momba an'i Xinjiang sy Tiananmen ny mpisera aterineto
Tao anatin'ny fotoana fohy no nandavahan'ny Clubhouse ny Rindrin'Afo Lehibe
[FAMERENANA] ‘The Milk Tea Alliance': Thailandy, Taiwan ary Hong Kong miray hina hitolona ho amin'ny demaokrasia
Tsy nahatratra ny fandefasana mivantana ny webinar [seminera-web] Global Voices Insights momba ny "Milk Tea Alliance"? Indro ary ny famerenana azy ho hitanareo.
Ny 29 Janoary, miaraha mivantana aminay amin'ny ‘The Milk Tea Alliance: Tolona iraisan'i Thailand, Taiwan sy Hong Kong hisian'ny demaokrasia’
Tongava hiaraka aminay ao anatin'ny adihevitra iray mavitribitrika momba ny fiantraikan'ny hetsika iraisan'ny firenena roa na vitsivitsy, itambaran'ireo firenena ao Azia mitolona hisian'ny demaokrasia
Hanafoana ny fanamelohana ho faty ve ny fifidianana filoham-pirenena Taiwaney manaraka?
Nosoniavin'i Taiwan teo anivon'ny Firenena Mikambana ny fifanarahana iraisampirenena momba ny zo ara-pôlitika sy ny maha-olom-pirenena (ICCPR), izay mitaky ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty. Na izany aza, mbola nampihatra ny fanamelohana ho faty i Taiwan tamina tranga miisa 34
Tamberina 2020: Ahoana ny nahatonga ny voina nateraky ny COVID-19 ho lasa tantaram-pahombiazan'ny maodely shinoa
Niandoha tamin'ny alalan'ny fiparitahan'ny COVID-19 tao Wuhan ny taona 2020. COVID-19 no lohahevitra be mpiresaka indrindra nandritra ny taona tao amin'ny media sosialy shinoa.
Efa tsy gaga amin'ny fampitahorana ady amin'i Shina lazain'ny filoha teo aloha ny ankamaroan'ny Taiwaney
Nandritra ny fitenenany tamin'ny kaoferansa tamin'ny 10 aogositra, nilaza ny filoha Taiwaney teo aloha Ma Ying-jeou fa, vao manafika an'i Taiwan i Shina, dia “ny fifanandrinana voalohany no ho farany."