Tantara mikasika ny Taiwan (ROC) tamin'ny Jolay, 2017
Mandoro ny Sambon'ny Andriamanitry ny Pesta I Taiwan
Iray amin'ireo fombafomban'ny mponina an-dranomasina malaza any atsimo andrefan'i Taiwan ny fandoroana ny sambon'ny andriamanitry ny pesta. Tany am-boalohany, ny hamerina ny andriamanitry ny areti-mandringana any an-dranomasina miaraka amin'ny aretina no tanjon'ny fombafomba ; ankehitriny, atao izany fombafomba izany mba hivavahana hisian'ny fandriampahalemana sy fanambinana.