· Jona, 2013

Tantara mikasika ny Singapaoro tamin'ny Jona, 2013

Nametra-pialàna Ilay Biby Famantarana Ny Halemem-panahy Any Singapore

Singa, ilay liona maha-te ho tia any Singapore ary avy eo biby famantarana ny fahasoavana nanomboka tamin'ny 1982, dia nametra-pialàna. Raha nitaraina noho ny "fiaraha-monina miharatsy sy mahasosotra" izy, nahatsapa ny liona fa fotoana tokony hitsaharana izao. Raha ny fantatra dia nanao taratasy fametraham-pialana tamin'ny Hetsi-Pahasoavana ao Singapore mihitsy i Singa.

30 Jona 2013

“Aingao Ny Ziponao, Manavota Aina”, Fanentanana Mikasika Ny Homamiadan'ny Vozon'ny Tranonjaza Mampisaraka An'i Singapore

Ho fampahatsiahivana ireo Singaporeana momba ny fitiliana ny aretin'ny vozon'ny tranonjaza amin'ny alalan'ny Pap fitiliana maimain-poana atao amin'ity volana ity (May), namoaka ilay fanentanana "Aingao ny ziponao. Manavota aina" ny Singapore Cancer Society, izay nahatonga adihevitra mafana momba ny hoe kanto ve izany, nandaitra sa nandratra.

02 Jona 2013

TPP: Loza Goavana Mananontanona Ny Aterineto Erantany Hatramin'ny ACTA?

GV Mpisolovava

Hivory mba handinika ilay fifanarahana ara-barotra Fiaraha-miombon’antoka manerana an’i Pasifika (Trans-Pacific Partnership-TPP) i Etazonia sy ireo fanjakana folo manodidina an’i Pasifika. Hatrany am-boalohany dia nafenina io fivoriana momba ny fifanarahana io, saingy mifototra amin’ilay taratasy niparitaka sy ny tsy maha-demokratika io rafitra io dia manana ny antony rehetra tokony hanairana ny mikasika ny zon’ny mpamorona voarakitra ao anatin’io fifanarahana ara-barotra iraisam-pirenena io ireo mpandray anjara rehetra.

01 Jona 2013