Tantara mikasika ny Singapaoro tamin'ny Jolay, 2012
Azia Atsinanana: Firoboroboan'ny Varotra Vorona An-tsokosoko ‘Hatao Fiompy’
Biby maro tandindonin-doza namidy mba hompiana anaty vàla mifefy no tany an'ala no nosamborina raha ny marina ary nalàna an-tsokosoko nivoaka ivelan'ny tontolo voajanahary niainany tamin'ny fomba feno habibiana, araka ny tatitry ny Jolay 2012 avy amin'ny Wildlife Trade Monitoring Network (TRAFFIC), tambajotra mpanara-maso ny varotra biby dia. Ho andrana hiadiana amin'ity olana ity dia mety hahafahana mamantatra mazava ireo vorona azo amidy ara-dalàna ao Taiwan ny fanomezana mari-pamantarana manokana ireo boloky nompiana nampidirina any an-toerana.
Singapore: Law Society (Fikambanan'ny Mpisolovava) Miatrika Tsikera Avy Amin'ny Vondrom-piarahamonina Anaty Aterineto
Ao anaty ady mafana ny Fikambanan'ny mpisolovava (Law Society) any Singapore ao amin'ny sehatry ny haino aman-jery sosialy taorian'ny fiampangana natao azy ireo ho nikasa hanakanana an'i Madasamy Ravi mpisolovavan'ny zon'olombelona tsy hanohy ny fiarovana teny amin'ny fitsarana.