· Aogositra, 2017

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2017

Indonezia: Fanampiana Manoloana Ny Horohorontany

  06 Aogositra 2017

Nametraka ny Java Quake Help Wiki (Fanampiana manoloana ny Horohorontany) ny ekipa World Wide Help (Fanampiana Manerantany). Mitady mpilatsaka an-tsitrapo antserasera ny ekipa mba hanampy amin'ny lahatsoratra sy fandikàna izany ao amin'ny wiki ary koa manampy amin'ny fanapariahana ny teny momba ny wiki.

Zavo-tsetroka Any Azia Atsimo Atsinanana

  04 Aogositra 2017

Namely an'i Singapaoro, faritr'i Malezia sy Indonezia ny zavo-tsetroka nateraky ny doro tanety tsy ara-dalàna. Ireo tantsaha no nanomboka ny afo nandritra ny vanim-potoana maina mba hanadiovana ny tany hambolena. Natevina kokoa ny zavo-tsetroka tamin'ity taona ity na dia efa namoaka ny fampitandremana momba ny fahasalamana aza i Singapaoro .

Shina: Polisy Sy Mpitondra Bisikileta (Na/Sy Môtô)

  02 Aogositra 2017

(Marihina fa tamin'ny desambra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra tamin'ny teny anglisy) Guangzhou, tanàna fahatelo lehibe indrindra ao Shina, ora vitsivitsy avaratr'i Hong Kong, no tanàna lehibe farany hanaisotra ny moto ao aminy, ampiharina manomboka ny 1 janoary 2007, ho hetsika iadiana amin'ny fandotoana, ny fitohanan'ny fifamoivoizana ary, ny zava-dehibe kokoa, ny haavon'ny heloka...