Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2019

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2019

04 Oktobra 2019

Ny ady ao Afovoany Atsinanana sy ny valinteny mizarazaran'ireo blaogera indoneziàna

Amin'ny famerina ny lohatenin'ireo media iraisam-pirenena mikasika ireo fifandirana misy ankehitriny ifanaovan'i Israely ary i Libanona, sy eo amin'i Israely sy Palestina, lahatsoratra miresaka lohahevitra mitovitovy amin'izany no avoakan'ireo Indoneziana blaogera arahany amin'ireo fanehoankevitra sy valinteny isan-karazany; ireo mpomba sy ireo mpanohitra, ny fanohanana sy ny fanamelohan'ny lafiny roa.

Mandrisika ny mpiserasera ny Fahitalavi-panjakana ao Shina mba handrahona ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpitati-baovao ao Hong Kong amin'ny alalan'ny famoahana ny sarin'izy ireo amin'ny tranonkala

Nandrisika ireo mpiserasera Shinoa ao amin'ny tanibe ny haino aman-jerim-panjakana ao Shina mba hampiasa ny tranonkala fandrahonana (doxing) hkleaks.ru mba hampibaribary ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpitati-baovao ao Hong Kong.

03 Oktobra 2019

Taolana tapaka, ratra anaty: Mampiasa paikady ‘sahisahy, tsy manavaka’ ny polisin'i Hong Kong mandritra ny fihetsiketsehana, hoy ny Amnesty

"..mampiasa herisetra ny polisy mialoha sy mandritra ny fisamborana, eny fa na dia efa tsy afa-mihetsika sy voatazona aza ilay olona. Hita tokoa fa tafahoatra ny fampiasan-kery, manitsakitsaka ny lalànan'ny zon'olombelona iraisampirenena..."

01 Oktobra 2019

‘Lehilahy niverina tao Xinjiang toerana nahaterahany ary tsy hita ’ — Tantara iray mahazatra fanao lohateny lehibe

Iray amin'ireo vitsy an'isa an'hetsiny any Xinjiang izay tsy fantatra hoe aiza i Nurbolat Shalayit .