· Febroary, 2019

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Febroary, 2019

Voafetra ve ny asa fanaovan-gazety any Taiwan ?

GV Mpisolovava  13 Febroary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nilaza ny tatitra fa mametra ny asa fanaovan-gazety i Taiwan ary nahemotry ny Freedom House ny laharan'ity firenena nosy ity tao amin'ny tatitra momba ny fahalalahana an-gazety manerantany isan-taona. Araka ny The Christian Science Monitor “Freedom of speech and press...

Thailandy: Voasakana ny WordPress.com

GV Mpisolovava  13 Febroary 2019

Miala tsiny. TOT Plc., amin'ny maha-fikambanana ho an'ny vahoaka Thailandey azy, dia nametra ny fidirana amin'ity tranonkala ity satria misy votoaty, lahatsoratra, ary/na sary tsy mendrika ka misy fiantraikany amin'ny sain'ny vahoaka Thailandey  manerana ny firenena izany ka tsy azo ekena. "

Malezia: Nohalavaina ny fanafahana vonjimaika an'ilay bilaogera

GV Mpisolovava  12 Febroary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nitarina hatramin'ny 21 novambra 2008 ny fanafahana vonjimaika (tamin'ny fandoavana antoka) nomena an'ilay bilaogera kickdefella izay nosamborina noho ny fikatsahana ny vahoaka handefa ny sainam-pirenena Maleziana mitsimbadika. Nosamborina ny 17 Septambra 2008 i Kickdefella, na Syed Azidi Syed Abdul Aziz, ary nafahan'ny polisy...

Shina: Mandeha dia mikatona ny Youtube

GV Mpisolovava  11 Febroary 2019

Voalaza fa nikatona nandritra ny roa andro (4-5 Marsa) ny Youtube tao Shina. Araka ny filazan'i William Long, tsy tafiditra tao amin'ny tranonkala youtube ny mpiserasera nanomboka ny 4 Marsa tamin'ny 8 hariva. Niverina ny tranonkala ny sasakalin'ny 5 Marsa, saingy araka ny filazan'i Shizhao (tao amin'ny twitter), naharitra 10 minitra ihany no fahazoana niditra tamin'izany.

Shina: Miantso an'i Guo Baofeng hiverina hody hisakafo hariva!

GV Mpisolovava  11 Febroary 2019

Notazonin'ny polisy Mawei ao Fujian nandritra ny herinandro mahery ilay bilaogera Peter Guo Baofeng. Araka ny tatitry ny twitter (efa voasakana), Nangataka tamin'ireo enina notazonina mba hanasonia fiaiken-keloka sy hiaiky fa nanao heloka bevava amin'ny fanalam-baraka sy fanaparitahana tsaho ho takalon'ny famotsorana azy ireo ny polisy ao Mawei.

Malezia: Niaiky ny Minisitry ny Atitany fa ny vaovao an-tserasera no mahazatra ankehitriny

GV Mpisolovava  11 Febroary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nilaza ny Minisitry ny Atitany ao Malezia, Datuk Seri Syed Hamid Albar araka ny tatitra fa tsy “fanampin'ny fampitam-baovao” ny fampahalalam-baovao amin'ny aterineto satria mihamaro ny Maleziana no mahazo vaovao sy fampahalalam-baovao avy amin'izany . Nolazainy izany taorian'ny lahateny...

Malezia: Rex Judicata (Mpanjaka mpitsara?)

GV Mpisolovava  09 Febroary 2019

Mpiserasera Maleziana enina no voampanga tamin'ny 13 martsa 2009, araka ny tati-baovao. Mikasika ny fanevatevana nataon'izy ireo ny Sultan Azlan Shah tao amin'ny aterineto ny fiampangana. Ho voampanga ao amin'ny fanjakana samihafa ao Malezia izy enina, ny roa dia hotontosaina ao amin'ny fotoam-pitsarana ao an-drenivohitra.

Shina: Hanadio ny aterineto?

GV Mpisolovava  08 Febroary 2019

Araka ny filazan'ny Beijing News sy Mingpao androany, manomana hanadio ny aterineto manontolo noho ny filazana fa fielezan'ny pôrnôgrafia amin'ny fitaovana finday ny Ministeran'ny Indostria sy ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao (MIIT).