Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2017

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2017

13 Aogositra 2017

Iza No Ao Ambadiky Ny Fahombiazan'ny Media Mpanesoeso Ao Hong Kong?

Nandritra ny taona maro, niady mba hampitombo ny tombombarotra amin'ny vanim-potoana nomerika ny indostrian'ny haino aman-jery ao Hong Kong ary hihazona ny fahamendrehana amin'ny famoahana lahatsoratra amin'ny fotoana izay mihasarotra hatrany ny fanehoan-kevitra malalaka.

11 Aogositra 2017

Indonezia: Efi-Pivoriana IM Misahana Fanavotana Tamin'ny Horohorontany

Ny World Wide Help Group dia mikarakara fivoriambe IM (antserasera) mivantana mandritra ny fotoana rehetra hifanampiana tamin'ny fihovitrovitry ny tany tao Java amin'ny alalan'ny fampiasana Yahoo Messenger

Shina: Mpanao Fihetsiketsehana Nosamborina Noho Ny Sora-bavety Miresaka Zon'olombelona Tao Amin'ny Fihetsiketsehana Tsy Tia Japana

Nampiseho ny fisamborana ireo mpanao hetsi-panoherana miisa telo tao Shenzhen izay nanao fihetsiketsehana am-pilaminana teo afovoan'ireo mpanao fihetsiketsehana tsy tia Japoney an'arivony omaly fa nanara-maso tsara sy nahafehy ny hetsi-panoherana ny mpitandro ny filaminana.

‘Lehiben'ny Mpandoto Resaka Antserasera'? Niaiky Ny Filohan'i Filipina Rodrigo Duterte

GV Mpisolovava

Nahita ny fanadihadiana fa 200.000 dolara Amerikana no nolaniana mba hamatsiam-bola andian-tafika mpandoto resaka an-tserasera hanohana an'i Duterte izay nahitana olona miisa 400 ka hatramin'ny 500 .

09 Aogositra 2017

Mihetsika Amin'ny Fanairana Fanafihan'ny Vitsika Mena Misy Poizina I Japana

Tsy mbola nahitana vitsika mena mihitsy tao Japana teo aloha.

Japana: Manana Ny Antom-pisiany Ireny Filaharana Tsy Misy Fiafarany Ireny

Na toy ny ahoana ny maripàna sy ny harerahana, vonona ny hilahatra ireo vahoaka Japoney mba hahazoany ny zavatra tadiaviny. Tsy misy olona tia milahatra fa izay tonga aloha anefa no voakarakara aloha.

08 Aogositra 2017

Ahoana ny Hanampiana ireo Niharam-Boinan'ny Fihovitrovitry ny Tany tao Indonezia

Afaka mitsidika ny bilaogin'i Merlyna Lim ankehitriny ireo mpikambana ao amin'ny firaisamonina iraisam-pirenena izay miahiahy tanteraka manoloana ny horohorontany tao Indonezia, izay tafakatra 5.000 ny maty ary an'arivony marobe no naratra, manangona am-pivitrihana momba ny adiresin'ireo sampan-draharaha marobe ao Indonezia sy iraisampirenena manao fanampiana ny bilaoginy.

Myanmar : Tapaka ny Aterineto

Manohana faobe an'ireo fihetsiketsehana ankehitriny ny bilaogera Birmana ary feno sary sy vaovao momba izany fihetsiketsehana izany ny tontolon'ny bilaogy Birmana. Noho izany antony izany, nanapa-kevitra handràra ny bilaogy politika, ny fitondrana miaramila, vokatr'izany, voaràra avokoa ireo bilaogy hafa ao Myanmar.

Mpanao Politika Japoney Manery ny Talen-tsekoly Amin'ny Boky Fianarana Tantara Manazava ny ‘Vehivavy Fiononana’

Tamin'ny Zoma 4 Aogositra 2017, nanjaka tao amin'ny Twitter Japoney ny lohahevitra momba ny boky fianarana tantara. Nalaza vetivety tao amin'ny Twitter ny andian-teny hoe "nahoana no nosafidiana ity boky ity"(教科書なぜ採択)

Mpanao Gazety Thailandey Sy Mpitsikera ny Governemanta Enti-Miaramila Miatrika Fiampangana Fampisaraham-bazana Noho Ny Lahatsoratra Facebook

GV Mpisolovava

"Mbola hanohy ny fanakianana ny fitondrana miaramila tsy ara-dalàna foana aho mandra-panendahan'izy ireo ny smartfindaiko."