Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Avrily, 2016
Nahafinaritra Ny Media Sosialy Japoney Ny Nijery Ny Boky Fianarana Teny Anglisy Amin'ny Endrika Sarimiaina
"Taorian'ny lanonana fidiran'ny sekoly ambaratonga faharoa androany, tonga tato an-trano niaraka tamin'ny boky vaovao fianarana anglisy ny zanako vavy. Mahafatifaty loatra i Ellen Sensei!"
Ao Shina, Voalaza Fa Manampy Hampanginana Ny Resaka Panama ilay Horonantsarim-Fanafihana
Mpikambana telo amin'ny birao politikan'i Shina no nanana havana voarohirohy ao anatin'ireo Taratasin'ì Panama, saingy tsy niloa-bava momba ilay ampamoaka ny haino aman-jerim-pirenena.
Saripika: Naparitaky Ny Polisy Ao Filipina Ireo Tantsaha Manao Fihetsiketsehana Mangata-Bary
Nalaza tao Filipina ny diezy #BigasHindiBala (Vary fa tsy bala) rehefa naparitaka an-kerisetra ireo tantsaha nanao fihetsiketsehana nangata-tsakafo tany amin'ny governemanta.
Te-Hahatratra Ny Tsenan'Aterineto Shinoa? Fotoana Izao Hanoratana Ny Anaran-Tsehatrao Ao Shina.
Raha vao navoaka ny fitsipika vaovao, dia tsy maintsy hanoratra ny anaran-tsehatry ny tranonkalany miaraka amin'ny mpamatsy DNS ao an-toerana ny orinasa vahiny mpitari-dalana, ao anatin'izany ny Microsoft sy ny Apple, mba hitoetra ho azo idirana ao Shina.
Shinoa Mpanao Sivana Mamafa Ny Porofo #PanamaPapers Ao Amin'ny Vohikala
Ny antontan-taratasy niparitaka dia ahitana orinasa an-dranomasina manana fifandraisana amin'ny fianakavian'ny mpitondra ambony ao Shina, Xi Jinping, izay efa nivoady ny hiady amin'ny "miaramilan' ny kolikoly". Ny ankamaroan'ny Shinoa kosa dia tsy naheno akory ny momba izany.
Niditra Tao Amin'ny Media Sosialy Hisian'ny Fanohanana Manerantany Ny Hetsika ‘Afaho i Papoazia Andrefana’
Mandrisika ny mpiserasera mba haneho fanohanana ny tolon'i Papoazia Andrefana amin'ny alalan'ny fandefasana sary #LetWestPapuaVote ao amin'ny media sosialy ny hetsika.
Fandefasana Ho An'ny Fitondràna Miaramila Ao Thailand, Midika Fiantsoana Hikomy Sarinà Tsatokaty Mena Ao Amin'ny Facebook
"Mampiseho ny tsy fahaizany mandefitra amin'ireo tsy mitovy hevitra aminy ny fahatahoran'ny fitondrana miaramila Thai an'ilay tsatokaty plastika miloko mena, ka tonga hatrany amin'ny teboka manamarika ny hadalàna tanteraka."
Lasa Malaza be Tamin'ny Aterineto Any Taiwan Ilay Dokambarotry Ny McDonald Maneho Lehilahy Mamboraka Amin-drainy hoe Pelaka izy
Tsara amin'ny ankapobeny ireo fihetsehampo tamin'ilay dokambarotra, izay nahitàna ny rainy nanaiky ny zanany lahy tia lehilahy. Kanefa, nitaraina ireo vondrona tsy tia LGBT, izay mora ny tonga dia naminavina azy.
Japana Sy Ny Serizy Mamelana Mahafinaritra Ao Aminy
Velona indray i Japan amin'ny faran'ny volana marsa sy ny avrily amin'ny fotoana mamelana mahafinaritra ny serizy. Indro sy angon-tsary mahafinaritra hita ao amin'ny Instagram amin'ity fotoana mahafinaritra ao anatin'ny taona ity.
Fantaro Ilay Filipiana Mpahay Siansa Namorona Ny Videofônina Tamin'ny Taona 1954
"Talohan'ny nisian'ny Skype sy FaceTime, namorona ny videôfônina ilay Filipiana mpahay siansa antsoina hoe Zara."