Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Desambra, 2014
Handany Samirery Ny Alin'ny Krismasy? Manana Ny Ambarany Ny Japoney
Tao am-piasàna, sondriana ery ireto tanora mpiara-miasa nifampitafa mikasika ny lamina hiatrehana ny kuribotchi. "Fa inona marina aloha ilay atao hoe kuribotchi?" Hoy aho sady nikakakaka no nanontany. Fahanginana hafahaha no setriny
Afaka Mijery Fahitalavitra Amin'ny Youtube Ny Rehetra Afa-tsy Ny Koreana Tatsimo
Noferan'ireo tambajotram-pahitalavitra Koreana gavana ny fahafahan'ireo mpampiasa aterineto ao amina'ny firenena mba tsy hahita ireo votoaty apetrany ao amin'ny Youtube, saingy afaka mankafy azy ireny kosa ireo olona erantany mpampiasa izany ka manana IP vahiny.
Hoy Ny Iraky ny Firenena Mikambana: Miatrika Fanararaotana Sy Fitsaratsaram-poana Ireo Mpialokaloka Ao Malezia
Nitafa tamin'ny Al Jazeera, nolazalazain'i Richard Towle, solontenan'ny UNHCR any Malezia ny toe-draharaha mampalahelo iainan'ireo mpitsoa-ponenana sy mpangataka fialokalofana any, saingy tsy mitovy hevitra amin'izay famariparitany izay ny sasany amin'ireo mpanao politika.
Vietnamiana Mpankafy David Beckham Maneho Ny Tsy Tokony Hitondràna Zazakely Amin'ny Scooter
Nampakatra sarim-behivavy mitondra scooter, maka sary an'i Beckham, nefa tsy manao aroloha sy mitondra zazakely eo anelakelam-peny ilay kintan'ny baolina fandàka, tao amin'ny pejiny Facebook.