· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Novambra, 2012

Sary Feno Herisetra Aseho Ilazàna Fa Ilaina ny Lalàna Miaro ny Ankizy

  12 Novambra 2012

Nanjary nalaza tamin'ny aterineto avy hatrany ilay sary mampiseho vehivavy mpampianatra zaza madinika, izay sady mitsiky no manainga ilay ankizy amin'ny sofiny izay midradradra mitomany mafy, taorian'ny fandraketana ny sary tamin'ny aterineto tamin'ny 24 Oktobra 2012. Fantatra avy eo fa mpampianatra tsy manana fahazoan-dalana i Yan Yanhong, nilaza tamin'ny mpanao gazety...

Mitsabo Ny Fifandraisan'i Japana Sy Shina

  09 Novambra 2012

Taorian'ireo hetsi-panoherana fankahalàna an'i Japana tany Shina, ny fifandroritana ofisialy misy amin'ny firenena roa tonta dia mihizina nanomboka tamin'ny Oktobra lasa teo. Raha miady amin'izay hampivoarana ny fifandraisana ny governemanta roa tonta, eny amin'ny sehatry ny fiarahamonina sivily no tsikaritra ny sasany amin'ireo fahombiazana. Jerentsika ato anatin'ity lahatsoratra ity ny sasany amin'ireo hetsika ireo.

Fahalotoan'ny Rano Mitera-doza Ho An'ny Aina Sy Ny Tontolo Iainana Ao Amin'ny Tany Hay Tengger

  07 Novambra 2012

Tato anatin'ny andro vitsy, ireo mpikambana ao amin'ny tarika Yellow River 10-Year Investigation [zh] - Fanadihadiana isaky ny 10 taona momba ny Renirano Mavo - dia nanomboka nitatitra ny teo-draharaha mikasika ny fahalotoan'ny rano ao amin'ny tany efitr'i Tengger any Mongolia Afovoany. Milaza ilay tarika fa misy rano miloko mainty avoakan'ny indostria simika mpanodina arintany ao amin'ilay distrika be indostria mandoto ireo rano ambanin'ny tany any amin'io tany efitra io, manimba ny faritra fiompian'ireo mpiompy any an-toerana ary mitondra loza mitatao amin'ny fiainan'ireo miaina ao amin'ilay tany efitra.

Top 10 Amin'ireo Fakàn-tahana ny ‘Gangnam Style’

  04 Novambra 2012

Namotika ny zava-bita tsara indrindra eran-tanin'ny "Guiness World record" ny hira manintona ny saina sy fomba fandihy mitapitapin'ilay Koreana Tatsimo mpiangaly gadona rap 'Gangnam Style' ho an'ireo lahatsary be "mpitia" indrindra teo amin'ny tantaran'ny YouTube sady niteraka fakàn-tàhaka tsy tambo isaina. Indreto ny 10 tsara indrindra tamin'ireny fakàn-tàhaka ny "Gangnam Style" ireny nofinidy tao anatin'ireo lahatsary mahatsikaiky maro.

Saritaka Noho Ny Fifanekena Hametrahana Biraon'ny Fikambanan'ny Firenena Silamo Any Myanmar

  03 Novambra 2012

Nahatonga ny firenena sy fikambanana islamika iraisampirenena maro hanolo-tena hitady vahaolana amin'ny famahana olana sy hanampiana ny niharam-boina ny rotaka tamin'ny volana jona tany andrefan'i Myanmar mahatafiditra ny Rohingyas sy ny Rakhine. Nanome soso-kevitra tamin'ny hametrahana birao maharitra any Myanmar ohatra ny Fikambanam-Piarahamiasa Islamika (OIC). Niteraka fanoherana mivaivay nanerana ny firenena izany...

Misokatra Ao Kambodza ny BlogFest Asia 2012

  03 Novambra 2012

Mampiatrano ny BlogFest Asia 2012 i Kambodza izay antenaina hahazo olona manodidina ny 200 avy amin'ny firenena Aziatika maro. Ny hetsika izay hotontosaina ny 1-5 Novambra 2012 dia horaisin'ny tanàna mana-tantaran'i Siem Reap. Ity ny BlogFest andiany fahatelo izay notontosaina tany Hong Kong tamin'ny 2009 ary tao Penang, Malezia taorian'izany tamin'ny 2010. Manantena ny mpanomana...