Tantara mikasika ny Azia Atsinanana
Hong Kong: miatrika fandrahonana ara-pitsarana ireo mpamandrika amin'ny fantsona sy blaogin'ny mpikatroka
Nilaza i Ronny Tong, mpanolotsainan'n governemanta fa mety azo heverina homelohina araka ny Lalànan'ny Filaminam-Pirenena izay mamandrika votoaty natsangan'ny "olona karohina".
Maneho ny fanohanany ny Palestiniana ny mpampianatra oniversite sy ny fiarahamonim-pirenena Filipiana
"Tohananay ireo rahalahy sy anabavy Palestiniana ao anatin'ny zony feno sy ao anaty fotokevitra ara-drariny ho amin'ny fandriampahalemana sy ny fizakan-tenany."
Ny mahatonga ilay “lalàn'ny aterineto tsy liberaly” ao Indonezia hanimba ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zon'olombelona
"Malahelo izahay hoe nolanin'ny parlemanta indôneziàna ny fanitsiana ilay lalàna ITE, izay miaty andalana mahabe olana sy manimba ny fahalalahana maneho hevitra ary ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety."
Taham-pahavitrihana ambany indrindra tamin'ny fifidianana filankevitry ny distrika ‘tia tanindrazana irery ihany’ tao Hong Kong
Noraisin'ny Vondrona mpikatroka ho toy ny fanamelohana ny politikan'ny famoretana ataon'i Shina ao Hong Kong ny fahavitsian'ny mpifidy :
Ao anaty fitotonganan-toe-karena, antsoina hoe ‘relika’-n'ny foibe ara-bola iraisampirenena i Hong Kong
Nitontongana ara-toekarena fatratra i Hong Kong tao anatin'ny telo taona farany, mifandray amin'ny fanombohan'ny valan'aretina COVID-19 sy ny fandaniana ny Lalàm-pilaminam-pirenena napetrak'i Beijing.
Hun Sen avy eo Hun Manet: Fahalalaham-pitenenana mampanahy ao Kambodza
"Manohintohina ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra sy ny asa fanaovan-gazety ny fanaovana ho lasibatra mpanao gazety – indrindra ireo mitatitra momba ny lohahevitra zon'olombelona – ka manohintohina ny fahafahan'ny vahoaka hahazo vaovao."
‘Revolisiona Lohataona’ Myanmar any Etazonia
"Tena zava-dehibe ho an’ny fandresenay ny fanohanana faobe, ny hetsi-panoherana ary ny fanabeazana ara-politikan'ny vondrom-piarahamonina Birmana any ampitan-dranomasina ho an'ny Revolisiona Lohataona."
Andro iraisampirenena ho an'ny ankizy: Post-Covid, tsy maintsy miantoka ny zon'ny ankizy i Hong Kong
"Tamin'ity taona ity, mpianatra 269 no nanandrana namono tena, ary 37 no nahomby tamin'izany. Tamin'ireo olona 10.279 no voasambotra tamin'ny taona 2019, zatovo latsaky ny 18 taona ny 1.754 tamin’izy ireo, ary 11 taona ny zandriny indrindra. "
Ambany aloky ny lalàna: Ny tontolon'ny fampitam-baovao koreana tatsimo mihapotika mangina
Amin'izao ankatoky ny fifidianana nasionaly izao, fitsapana lehibe amin'ny fanoloran-tenan'ny firenena amin'ny fitsipika demokratika sy ny fahalalahana sivily ny fihenjanan'ny governemanta amin'ny vahoaka tsy mitovy hevitra sy ny fanarahamaso atao amin'ny haino aman-jery.
Nanoratra hira rap mitaky ny rariny ho an'ny ray aman-dreniny novoina ilay mpikatroka manohitra ny fitondrana miaramila ao Myanmar
"Te hamorona sangan'asa haharitra aho ary mitaky ny rariny ho an'ny ray aman-dreniko, raha maty alohan'ny hahombiazan'ny revolisiona."