Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2019

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Febroary, 2019

22 Febroary 2019

Bilaogera Birmana voaheloka higadra roapolo taona sy enimbolana an-tranomaizina

GV Mpisolovava

Nanameloka an'i Nay Phone Latt higadra roapolo taona sy enim-bolana an-tranomaizina ilay mpitsara Daw Soe  noho ny fananana lahatsary voarara sy ny fananana bilaogy hanehoana ny ahiahiny mikasika ny zava-tsarotra tsy mitsaha-mitombo atrehin'ny vahoaka Birmana amin'ny fanehoana ny heviny hatramin'ny fihetsiketsehana ny taona (2007) .

Shina: Fanarahamaso ny somaiso amin'ny finday

GV Mpisolovava

Araka ny tatitry ny Xinhuanet,  hanomboka hampiato ny SMS amin'ny finday ny sampana Mobile China Shanghai raha mahita izy ireo fa mizara votoaty "vetaveta", "pôrnôgrafika" sy votoaty hafa tsy ara-dalàna izy ireo.

20 Febroary 2019

Fomba fiasa vaovaon'ny Google ao Shina

GV Mpisolovava

Namoaka fanambarana ofisialy ny Google lnc omaly fa tratran'ny fanafihana antserasera avy any Shina ny orinasa. Niezaka niditra tamin'ny kaonty Gmail an'ireo mpikatroka ny zon'olombelona Shinoa ireo mpanafika. Nilaza ny orinasa fa hiresaka amin'ny governemanta Shinoa momba ny fomba hiasan'izy ireo tsy misy sivana any Shina izy ireo.

19 Febroary 2019

Kaonty Twitter iray mankalaza ny vehivavy ao Japan, fampahafantarana fohy iray isan'andro

Ny zavatra iraisan'ireo olona lazaina isan'andro ireo dia fahitana azy ireo ho avy amin'ny sarangam-piainana rehetra ary samy manana ny fanambiny sy ny fahombiazany manokana.

18 Febroary 2019

Nahoana Ireo Sinoa Mpanao Aterineto No Mino Ny Tondrom-pandrefesana Entam-barotra Iray ho Afaka Haminaniana ny Toe-draharaha Erantany?

Araka ny anganongano, ny tondrom-pandrefesana an'ireo akora fototra Yiwu dia naminavina ny ho vokatry ny fifidianana filoham-pirenena amerikana tamin'ny taona 2016 ary mipetraka mitovy amin'izay koa ho an'ireo hetsipanoherana "salotra mavo" ao Eoropa.

Thailandy: Fiampanga sivy hanenjehana ny Prachatai, webmaster

GV Mpisolovava

Nosamborina tamin'ny 6 Marsa teo ambany ny Lalàna mifehy ny Heloka An-tsolosaina ao Thailandy i Chiranuch Premchaiporn, webmaster ao amin'ny vavahadim-baovao antserasera tsy miankina, Prachatai ao Thailandy

17 Febroary 2019

Fanentanana #MetooUyghur mangataka amin'ny governemanta shinoa hanaporofo fa mbola velona ireo Xinjiang nofonjaina

Mampiasa ny farangonteny #MetooUyghur ny vondrom-piarahamonina Uyghur avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao hanontaniany ny fahasalaman'ireo olona tiany.

16 Febroary 2019

Misy fitsabahana ara-politika ve ao amin'ny tambajotram-pahitalavitra ho an'ny daholobe ao Timor-Leste?

Nisy fikasana maromaro hitsabaka ara-politika nanindry tamiko sy tamin'ireo mpanao gazety mivantana mba hitarihan-jotra ny votoatim-baovao.

Shina: Voaisotra sy voasakana ireo tranonkala tsy nahazo alalana

GV Mpisolovava

Vao haingana ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao (MIIT) no namoaka filazana mikasika ny hetsika manokana momba ny fahazoan-dàlan'ny tranonkala ary nangataka tamin'ireo mpamatsy tolotra aterineto (FAI) rehetra mba hanakatona ireo tranonkala tsy manana fahazoan-dalana hamatsy votoaty amin'ny aterineto (ICP) alohan'ny 24 febroary 2009 amin'ny 4 ora hariva.

14 Febroary 2019

Shina: Nanjavona tao amin'ny fikarohana Google sy Yahoo ny Grass Mud Horse

GV Mpisolovava

Roa andro lasa izay, nisy fanambarana nozaraina tamin'ireo mpitantana sehatra fifanakalozan-kevitra antserasera, mangataka azy ireo mba tsy hanohy ny Grass Mud Horse Hyperbole. Ny tatitra farany avy amin'ny bilaogy GFW dia hoe nanjavona tao amin'ny milina fikarohana Google sy Yahoo ao Shina ny teny hoe "Grass Mud Horse".