· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2018

Japana : Topimaso Kely Amin'ny Teknolojia Ekolojika Japoney

  21 Aogositra 2018

Nanangana drafitra fanentanana ho fampiroboroboana ny fangatahana kojakojan-tokantrano mandeha amin'ny herinaratra mitsitsy angovo ny governemanta japoney noho ilay rafitra 'éco-point'. Ny tanjona dia ny hamerenana indray ny sarin'i Japana, foiben'ny protocole de Kyoto, ho tahaka ny firenena mampiasa teknolojia manaja ny tontolo iainana.

Kambodza : Ny Politikan'ny Vary

  21 Aogositra 2018

[...] vokatry ny fampanofàna tany kambodziana amin'i Vietnam mpifanila vodirindrina aminy mba hahafahany mampitombo ny velarantany fambolena ho an'ny sehatry ny indostriam-pambolena[...] Mampanahy an'i Yeap ny zavamisy sao hivadika ho titra filazana ny maha-tompon'ny tany ireo fifanarahana [...] endrika mampiavaka ny kolontsaina kambodziana ny vary

Mankalaza ny Eid ul-Fitr araka ny fomban'ny bilaogera

  21 Aogositra 2018

(Marihina fa tamin'ny 3 Novambra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Mbola niresaka momba ny Eid ul-Fitr ireo bilaogera Indoneziana sasany, na ny zavatra nifandraika tamin'izany, andro maro taty taoriana noho ny antony samihafa. Agus Setiawan ao amin'ny Blogonesia, ohatra, dia niresaka momba ny fatwa (didy ara-pivavahana) nataon'ny Nahdlatul Ulama...

Thaïlandy : Songkran Mainty

  19 Aogositra 2018

(2009) Songkran, ny fetin'ny taombaovao Thaï, izay ankalazaina ny 13 ka hatramin'ny 15 Aprily dia matetika no fotoana iray feno fifaliambe ao Thaïlandy. Antsoina hoe "Songkran mainty" ny Songkran amin'ity taona ity nanomboka tamin'ny nisian'ilay fifandonana teo amin'ny miaramila sy ireo mpanao hetsipanoherana ny fitondrana ankehitriny. Roa ireo mpanao fihetsiketsehana no maty, ary an-jatony ireo naratra nandritra ilay fifandonana teny amin'ny lalamben'i Bangkok.

Bush sy ny Islamo Indonezia

  18 Aogositra 2018

Raha nijery ny CNN na ny BBC ianao nandritra ny fitsidihan'i Bush tany Indonezia dia mety nahita ny mpanao fihetsiketsehana marobe tao an-drenivohitr'i Indonezia, Jakarta niaraka tamin'ny teny filamatra manohitra an'i Bush na raha ny marimarina kokoa dia manohitra ny politikan'ny raharaham-bahiny Amerikana.