Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Avrily, 2018

23 Avrily 2018

Nohavaozina ho fisarihana mpizaha tany Japoney ny fanafihana mampihoron-koditry ny Orsa Hokkaido

"Tsy fantatro aloha raha toa ka mifanandrify amin'izany tokoa ilay sarin'ity orsa mafana fo sady sariaka ity..."

Manome sehatra ho an'ny vehivavy sy ny sehatra hafa atao an-jorombala ao Indonezia ny gazetiboky Magdalene

Mampiseho ny feon'ny feminista, ny fahamaroana sy ny fahalianam-pandrosoana izahay, na ireo izay tsy matahotra ny ho hafa, na inona na inona volonkoditra, fironana ara-nofo, na lahy na vavy. Mikendry ny hampandray andraikitra izahay fa tsy hanimba.

22 Avrily 2018

Ahoana Ny “Fanararaotampahefana” Sy Ny “Karoshi” No Mbola Miteraka Olana Ho An'ny Mpiasa Japoney

Lasa loza be ao Japana ny "Fanararaotampahefana", izay midika menomenona, fanevatevàna ara-tsaina, ary fanerena ireo mpiasa mba hiasa mihoatra ny tokony ny ho izy nefa tsy andraisana karama, sy "karoshi" (na "fahafatesana noho ny asa be loatra")

20 Avrily 2018

Laos: Fetiben'ny Hazakazaka Sambo

Manamarika ny faran'ny fifadian-kanin'ny Bodista any Laos sy any amin'ireo firenena mifanila aminy ny fetiben'ny hazakazaka sambo. Namoaka lahatsarin'ilay Fetiben'ny Hazakazaka Sambo nifarana vao haingana tao Pakse i Darly ao amin'ny vohikala Lao Voices. Tanàna iray ao amin'ny reniranon'i Mekong ao Laos Atsimo i Pakse, ary toeram-pivarotam-paritra goavana.

19 Avrily 2018

Shina: Ho avy “angamba” ny fanafarana kolontsaina tsy misy famerana

Vaovao miavaka raha marina fa nanaiky hamarana ny famerana ny fanafarana vokatra fialam-boly i Shina

Japàna: Nafaitra ve ny Beaujolais Nouveau?

Eritreretiko fa zavadehibe ny fitadiavana angovo vaovao, saingy ankehitriny ami'ny isika efa lasa diso manankarena loatra, moa ve tsy tokony hamerina haminavina indray ny fomba fitehirizana angovo sy ny fampiasàntsika angovo mamokatra i Japana?

Miteraka Fandraràna ny 3G Ao Kambodza Ny Fahatahorana Sary Vetaveta

Nitarika ny fangatahan'ireo vadinà tomponandraiki-panjakana hanao fanangonan-tsonia hanakanana ny teknolojia vaovao 3G ny tahotra ny fiparitahan'ny sary vetaveta manerana ny finday azo hijerena lahatsary.

Netizen Report: Mangataka valinteny avy amin'ny Facebook ireo mpikatroka manerantany

GV Mpisolovava

Ny Advox Netizen Report dia manome topi-maso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena sy vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany.

Ejypta: Bilaogera very asa noho ny famoahany ny mahasandoka ny tantaran'ilay fitaovana maha-virjiny hosoka

Nanomboka nanontany tena ny Ejiptiana raha hanomboka hanafatra Hymen Shinoa i Ejypta ary voaraoka kosa i Amira Al Tahawi, izay niara-niasa tamin'ny Radio Netherlands tamin'izany fotoana izany noho ny famoahana fa lainga ny tantara hymen Shinoa.

18 Avrily 2018

Filipina: Nanao Fitokonana Ireo Mpamily Jeepney

Hieritreritra ny governemanta fa tsy miraharaha ny fiakaran'ny vidin-tsolika isika raha tsy nisy ny fitokonana. Amin'ny alàlan'ny fitokonan'ny mpamily jeepney no nahafahantsika nandefa ilay hafatra fa manohitra isika ary manameloka...