Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Avrily, 2017
Milaza Amin'ireo Mpiserasera Aterineto Mba Tsy Hanjohy Ireo Mpitsikera Ny Fitondrana Miaramila Ao Amin'ny Media sosialy i Thailandy — Raha Tsy Izany Hiatrika Ny Vokany
Niroboka lalindalina kokoa ny manampahefana Thailandey tamin'ny famerana ny fahalalahana miteny ho an'ny vahoaka. Taorian'ny fanagadrana olona noho ny zavatra lazain'izy ireo anaty aterineto sy ivelan'ny aterineto, sy ny fanenjehana ireo mpitsikera an-tsesintany, te hanapaka ny fifandraisan'ny olona izy ireo
Iza no Nanaisotra Ilay Takelaky ny Revolisiona 1932 tao Thailand?
"Fampahatsiahivana feno eso ho an-dry zareo Thais ny nanendahana ilay takelaky ny 1932 hoe mety natsahatr'izy ireo ny fitondràm-panjaka tsy refesi-mandidy, saingy mbola misy hatrizao ny jadona tsy refesi-mandidy," hoy ny nosoratan'ny olona iray mpampiasa Twitter.
LOUDNESS, Kintan'ny Mozika Metaly Japoney Voaroaka Tao Amin'ny Sisintany Amerikana
"Tafaverina aty Osaka aho rehefa avy nanao sidina nandritra ny 27 ora. Tena kivy be."
Mampisalasala ny Revirevy Xiongan An'ny Filoha Shinoa
"Ao Hebei, izay itokisan'ny olona ny toekarena voarafitra, ahoana no ahafahan'izy ireo misarika sy mahazo olona hafa mandeha manohitra ny fanjakazakan'ny efa mijoro ho rafitra?"
Osaka no Kaominina Voalohany Ao Japana Nankasitraka ny Fitaizan'ny Pelaka
“Raha tianao mihoatra ny rehetra ireo ankizy taizanao, na ray aman-dray iana na reny aman-dreny na ray aman-dreny, ny zava-dehibe dia ny maha raiamandreny”.
Fepetra Noraisin'i Shina Hanenjehana Ireo Vahiny Mpitsikilo? Valisoa Goavana (Volabe) Ho An'ireo Izay Manome Vaovao
Manome valisoa goavana ho an'izay mitatitra momba ireo vahiny mpitsikilo ny Biraom-piarovana Nasionaly ao Shina
Sary Miloko Mampiseho Ny Ady Teo amin'ny Tafika Amerikana sy Japoney tao Okinawa Nandritra Ny Ady Lehibe Faha-II
Noho ny tsingerintaona faha- 72 taonan'ny ady tao Okinawa, nanoratra karazana lahatsoratra tao amin'ny Twitter ilay mpikaroka Japoney, Hidenori Watanave, izay mampiseho sary tahiry tamin'ny ady ary nolokoina tamin'ny fampiasana fitaovana rindrambaiko.
Ampiasaina ny Voambolana “Vaovao Faikany” Handrahonana ny Mpitsikera
Mikasa hanavao ny Lalànan'ny Fandefasam-baovao i Singapaoro, manolo-kevitra handrindra ny media sosialy kosa ny Filohan'ny Antenimiera ao Filipina, ary maka tahaka an'i Donald Trump ny manampahefana Kambodziana amin'ny fiantsoana ireo vaovao tsy tiany ho "faikany".
Mpiasan'ny ONG Taiwan Nanjavona, Nankany Beijing ny Vadiny Hanavotra Azy
Afaka manome ny marika "manimba ny tombontsoam-panjakana" ho an'ny olona tsy tiany ny fanjakana [Shinoa].
Enintaona Taty Aorian'ny Voina : Manao Ahoana ny Fanarenana an'i Fukushima, Miyagi ary Iwate
Tamin'ny fiandohan'ny volana Martsa 2017, noraketin'ny Kahoku Shimpo, gazety Japoney mpivoaka isan'andro mitatitra ny avaratra atsinanan'i Japana, ny fivoarana vita nandritra ny enintaona farany tamin'ny fanarenana ny fiainan'ny mponina niharan'ny "loza telo soson'ny" taona 2011 nahitana fihovitrovitry ny tany goavana, tsunami ary ny loza noklearin'i Fukushima.