Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2016

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2016

19 Aogositra 2016

Nody Ny Maty, Fotoana Izao Ao Japana Hilanonana

Sary avy ao amin'ny Instagram mampiseho ireo mponina Japoney mandresy ny hafanana amin'ny alàlan'ny fandihizana eo ambanin'ireo kintana sy ny hazavan'ireo jiro amin'ny tapaky ny fahavaratra.

Ahiana Androahana Ireo Tompontany Ao Amin’ny Nosy Panay Ny Fananganana Ny Tohodrano Lehibe Jalaur Ao Filipina

" Tsy mankasitraka ny tetikasa ireo vahoaka izay tena voakasik'izany ."

18 Aogositra 2016

Manontany Ny Doka Antoko Komonista Shinoa Hoe: ‘Iza Moa Aho?’ Mamaly Ny Media Sosialy Hoe: ‘Mpanao Kolikoly.’

"Izaho no nasandratra, Izaho no manana tombontsoa, Izaho no olona tsy voasongonao mandrakizay, satria tsy afaka manongana ny antoko na oviana na oviana ianao."

17 Aogositra 2016

Tonga Ao Hong Kong Ny Kamiao Fivarotan-tsakafo, Saingy Tsy Ny Rehetra No Milahatra Amin'izany

Lasan'ireo orinasa lehibe momba ny sakafo ny atsasany mahery tamin'ireo fahazoan-dalana ho an'ny kamiao fivarotan-tsakafo. Maro, na izany aza, no mihevitra fa natao tamin'ny tsy rariny sy ratsy endrika ilay tetikasa kamiao fivarotan-tsakafo.

Ankoatra Ilay Mpilomano Singapaoreana Nandresy An'i Michael Phelps, Fantaro Ireo Aziatika Atsimo-Atsinanana Hafa Nahazo Medaily Volamena Tamin'ny Lalao Olaimpika

Sambany nahazo medaily volamena tamin'ny lalao Olaimpika ao Rio i Singapaoro sy Vietnam, efa nahazo volamena roa kosa i Thailandy raha mbola volafotsy ny an'i Filipina.

16 Aogositra 2016

Nanaitra Ireo Mpampiasa Aterineto ny Fandraisan'i Timor Atsinanana Anjara Anatin'ny Lalao Olaimpika any Rio

Ity no fahatelo amin'ny fandraisan'i Timor Atsinana anjara anatin'ny Lalao Olaimpika, tao aorian'i Athènes (2004) sy i Laondra (2012).

Nanomboka ao Japana ny Rentirentin'ny Lalao Baseball Fanao Isan-taona Amin'ny Vanim-potoana Mafana

Nanomboka tamin'ny 8 aogositra lasa teo ny fanombohan'ny fiadiana ny ho tompondakan'ny baseball andro mafana isan-taona ao Japana. Iray amin'ny lanonana lehibe indrindra ao anatin'ny taona, miraikitra eo amin'ny fahitalavitra mandritra ny roa herinandro ilalaovana ny fifaninanana ao anatin'ny vanim-potoana manevokevoka ny mason'ny Japoney avy amin'ny sokajin-taona rehetra.

15 Aogositra 2016

Sary Mahatalanjon'i Japana Nohavaozina Tamin'ny 3D

Nokarohana sy nohavaozain'ny mpampiasa Flickr iray ireo sary nataon'ilay Japoney mpakasary goavana, T. Enami.

12 Aogositra 2016

Thailandy: Manamafy Sivana Arakaraka ny Anatonan'ny Fitsapankevibahoaka Momba ny Lalàmpanorenana

Raha tian'ny fitondrana miaramila ao Thailandy hojerena tahaka ny azo itokisana ny fitsapankevibahoaka ataony, tsy maintsy hajanony ny fandrahonana ireo mpanao gazety mandrakotra io hetsi-panentanana io ary havelany hikoriana malalaka mankany amin'ny vahoaka ny vaovao.

Moskea, Tempoly, Pagôda, ary Katediraly Fanta-Daza Indrindra Ao Azia Atsimo Atsinanana

Aiza no ahitanao ny Katediraly Katolika lehibe indrindra ao Azia, ny toeram-pivavahana lehibe indrindra eto ambonin'ny tany, ary ny moskea tokana tsy misy "dome"? Any Azia Atsimo Atsinanana irery ihany.