Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Desambra, 2015
Nolazain'ny Naysayers Fa ‘Vetaveta’ Ilay Mpihira Amerikana Adam Lambert, Manohana Azy Ny Singapaoreana
"Milaza ireo mpanao fitakiana fa mety hanao fampisehoana "fihetsika vetaveta" i Lambert ka mety hanafintohina ny mpijery ny fampisehoana sy ny mpijery fahitalavitra. Nisy ihany koa ny fanangonan-tsonia manohitra izany ary manohana an'i Lambert izay efa nahazo sonia maherin'ny 24.000 sahady.."
Diabe Mitaky ny Tany, ny Rariny ary ny Zon'Olombelona Ataon'ny Kambodziana Na Dia Eo Aza Ny Fanakatsakanan'ny Governemanta
Voaràra ny fihetsiketsehana ao amin'ny kianjan'ny fahalalahana ao Phnom Penh ankehitriny, saingy mbola manohy ny diabe manerana ny renivohitra ireo mpikatroka Kambodziana ao amin'ny farintany mba hankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'olombelona.
Sempotra tao anatin'ny ‘Airpokalypsa’ vokatry ny zavona misy poizina nanamontsana ny faratampony teo aloha i Beijing
"Manjavona ao anatin'ny indray alina ny trano manaka-danitra sy ireo trano malaza. Tsy mety mahita ny lokon'ny jiron'ny fifamoivoizana eny amin'ny faran'ny lalana aho ho fiarovako ny aiko."
Mpiserasera Ao Taiwan No Ankamaroan'ireo Shinoa Mpampiasa Aterineto Manao Tsidi-Pahitra Ny Facebook
Tsai Ing-wen, ilay tsara toerana ho lasa filoham-pirenena manaraka ao Taiwan, vao haingana no nahita ny pejy Facebook rakotry ny hafatra tsy mamokatra. Sahala amin'ny toa hafatra nosoratan'ireo Shinoa mpisera mpomba ny governemanta izay afaka niditra tampotampoka teo tamin'ilay sehatra media sosialy, izay nosakanana nanerana an'i Shina nanomboka ny taona 2009. Raha tokony ho nofafàna.
Nataon'ny baomban'i Etazonia tsy azo diavina fa azo jerena amin'ny alalan'ny tantelimby indray ny fijerena ity toerana manantantara ity
"Iray amin'ireo toerana arkeôlôjika lehibe indrindra ao Azia Atsimo Atsinanana tsy mbola voahadihady ny lemaky ny siny feno misitery ao Laos avaratra atsinanana."
Hahafoana ny fahafahana maneho hevitra ve ny naotin'ny polisy ao Indonezia miompana amin'ny tenim-pankahalana?
"Manome fitaovam-piadiana matanjaka hoan'ny polisy io, mamela azy hanapa-kevitra amin'izay mety ho heverina ho tenim-pankahalana na tsia, ary mety hiteraka olana sy mampidi-doza."
Nogaomain'ny Thailandey mpanonta pirinty ny lahatsoratra amin'ny fonon-gazety International New York Times
"Nesorin'ny mpanota pirinty teto Thailandy ny lahatsoratra teto amin'ity toerana ity. Tsy misy idiran'ny International New York Times sy ny ekipam-panoratana ao aminy ny fanesorana azy. ."
Ao Malayzia, Ny fiandrasan'ny zanany vavy iray ela dia ela ny fiverenan'ny rainy
Raha nanagadra an'i Anwar Ibrahim ny governemanta Malayziana, dia tsy ny lalany ara-politikany ihany no nesorina taminy fa ilay maha raibe, ray ary vady azy ihany koa.