Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jona, 2015

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Jona, 2015

05 Jona 2015

Inona no Tokony Ataon'i Singapaora Manoloana ny Krizin'ny Mpitsoa-ponenana Rohingya?

Tsy taitra i Singapaora nandritra ny krizin'ny mpitsoa-ponenana Rohingya ao Azia Atsimo Atsinanana kanefa nihaona mba hikaro-bahaolana ireo mpitarika ny firenena manodidina. Saingy tokony hanao zavatra ve ny firenena?

04 Jona 2015

Notànan'ny Polisy Thailandey Ireo Mpianatra Mpanao Fihetsiketsehana Nandritra Ny Tsingeritaonan'ny Fanonganam-panjakana

"Tsy afaka manangana fiarahamonina demaokratika isika raha tsy manana fahalalahana, fahafahana, zo, rariny sy ny fampihavanana."

‘Ho An'ny Fianakavianay No Maha-Eto Anay': Mpiasa Filipiana Mitokona Mifampizara Fanantenana Ho An'ny Ampitso

“Mitolona ho amin'ny fanaovana izay haha-ara-dalàna izahay mba tsy hahavery fihinanana anay. Ho an'ireo rehetra mpiasa iharan'ny fanararaotan'ny orinasa ity.”

Nosintonin'ny Governemanta Ao Singapore Ny Famatsiambola An'ity Tantara An-tsary ity, Ary Maniry Ny Hahabetsaka Kokoa Azy io Ny Mpamaky Amin'izao Fotoana

"Inona no mason-tsivana hanapahana hevitra hoe tsy nanaraka ny fepetra sy faritra napetraka ny asa iray? Izany eo ihany, fa maninona no tsy tokony ho afaka hiahy tena ho azo amidy amin'ny fomba maharitra ny taokanto tsara?"

Fanentanana Haka Selfie Hampiroboroboana Ny Fifandeferan'ny Finoana Samihafa Sy Ny Fahasamihafàna Ara-Poko Ao Myanmar

"Sikh izy ary izaho Miozolmana. Nefa mpinamana izahay. Na dia manana izay mampiavaka anay aza izahay, mifampizara kosa ny fomba fijerysy ny finoana, manaiky sy manaja ny mari-panondroana ny tsirairay."

03 Jona 2015

Hampangatsiaka Ireo Tsikera Ny Fanombohan'ny Pôlisin'ny Aterineto Ao Shina Ny ‘Fitsirihana Ny Resaka’

GV Mpisolovava

Ny fanombohana fandaharan'asa "Pôlisy Mpitsirika ny Aterineto sy ny Fampiharana ny Lalàna", dia mitaky ezaka mirindra bebe kokoa amin'ny fanamelohana ny teny aty amin'ny Aterineto.

02 Jona 2015

Mety Ho Ratsy Nohon'ny Fitondrana Amin'ny Tany Misy Hotakotaka Ny Toko faha-44 Ao Thailandy

Tsy ao anaty fitondrana amin'ny tany misy hotakotaka intsony i Thailandy, nefa misy lalàna vaovao momba ny fiarovana nanome fahefana mivelatra sy tsy voafetra ho an'ny miaramila ao anatin'ny governemanta sivily.

‘Vehivavy Mavo Volo Silantsilana’ Toy ny Ahoana No Mety Mitovy Amin'i Dalai Lama

Nilaza ny Dalai Lama fa mety hiverina ho ‘vehivavy mavo volo silantsilana’ izy, na mety tsy hiverina hiaina mihitsy aza; nahatonga aingam-panahy ho an'ireo mpanao sarimiaina avy any Hong Kong sy Taiwan izany.

Sary Meva Avy Amin'ny Fipoahana Volkano Tao Amin'ny Nosy Japone Kuchinoerabu-jima

Zazalahy iray no nahavita naka ho anaty lahatsary ny zava-nitranga, fotoana fohy monja taorian'ny fipoahana volkano tampoka tao amin'ny nosy iray any atsimo andrefan'i Japana. Ho an'ireo mponina manakaiky an'i Kagoshima, efa lasa zavatra iainana ny resaka volkano.

01 Jona 2015

Mbola Mitokona Hatrany Ireto Mpiasan'ny Ozinina Any Filipina Ireto Na Eo Aza Ireo Fanafihan'ny Mpiambina sy Jiolahim-boto

Mpiasa araka ny fifanarahana asa na mpiasa miserana ny 90 isanjaton'ireo mpiasan'ilay orinasa. Naparitak'ireo jiolahim-boto nolazaina fa vokaraman'ny orinasa tamin'ny fihetsika mahery vaika ireo mpiasa nitokona.