Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Novambra, 2014
Hoy Ny Thailandey Mpianatra tamin'ireo Mpanohitra ao Hong Kong: “Aza Mitsahatra’
Tsy ara-dalàna amin'izao fotoana izao ny manao na miditra anaty fihetsiketsehana, saingy nisy vondrom-pianatra Thailandey naneho ny fanohanany ireo mpanao fihetsiketsehana ao Hong Kong nandritra ny resadresaka manokana iray tao amin'ny Google Hangout.
Ankizy Mpitsoa-ponenana Ao Myanmar, Mizara Ny Tantarany Amin'ny Taokanto Ho An'y Maso
Mifototra amin'ireo atrikasa niarahany tamin'ireo tanora mpitsoa-ponenana avy any Birmania, manomana famoahana boky iray hamondronany ireo taokanto nataon'ny ankizy nandritry ny seminera nataony ilay Amerikana mpanoratra, Erika Berg .
Lalao Video Malaza Ahitana Ankizy Japoney Mahita Matoatoa
Nanjary lasa andiana sarimiaina malaza ao Japàna ilay lalao ary toa natao ho lasa kolontsaina iombonana fanondrana avy ao amin'ny nosy-firenena. Lasa hita eny rehetra eny ireo endrik'olona malaza - amin'ny sary amboarina antserasera hampihomehy, amin'ny voatavon'ny Halloween sy amin'ny McDonald.
Milaza Ilay Thailandey Mpianatra Fa Mitsikilo Ny Ataony Ny Fitondrana Miaramila
Niresaka tamin'ny Globak Voices momba ny zava-iainany amin'ny fampiroboroboana ny fanovana eo amin'ny governemanta tantanin'ny miaramila ao Thailandy i Nattanan Warintarawet, izay mandala ny famoriam-bahoaka sy ny fahalalaham-pitenenana.
Myanmar : Toherin'ny Mpianatra Sy Ny Mpampianatra Ny Lalàna, Lazainy Fa Fanamafisana Ny Rafi-Pampianarana Tamin'ny Andron'ny Jadona Miaramila
Mpianatra, mpampianatra, ary vondrona fiarahamonim-pirenena maherin'ny 200 no nampiray hery hanohitra ilay volavolan-dalàna momba ny Fanabeazam-Pirenenena any Myanmar.
Tian'ireo Mpanongam-panjakaka Thailandey Hanadino Ny Praiminisitra Ny Mpanoratra Gazety
Nangataka tamin'ny fampahalalam-baovao ny jeneraly Prayuth Chan-ocha, fitondrana miaramila vaovao ao Thailandy mba tsy hitatitra ny zavatra ataon'ireo lehibem-panjakana teo aloha tao Thailandy.
Mpanoratra Iray Ato amin'ny Global Voices Nomen'ny Filohan'i Etazonia Obama Voninahitra noho ny Asam-Piarovana ny Zon'Olombelona Nataony ao Kambodza
Sopheap no tale mpanatanteraky ny Ivontoerana Kambojiana Misahana ny Zon'Olombelona. Nidera ny fanentanana ataony isian'ny rariny ao Kambodza ny filoha Obama raha tarafina ny toe-draharaha mampanahy ao an-toerana.