Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Janoary, 2014

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Janoary, 2014

21 Janoary 2014

Zokiolona Koreana Manao Ankivy Ny McDonald Ary Maka Ny McResolution

Lohateny lehibe tamin'ny gazety tao New York City ireo Koreana Zokiolona noho izy ireo mitoko-zihitra isanandro ao amin'ny McDonald's, manomboka ny maraina be ka mandra-pahamaizin'ny andro - zavatra iray tsy mahagaga ny Koreana Tatsimo intsony

Indoneziana Mpiasa An-trano Milaza Ho Voadaroka, Nomena Sakafo Ambany Foitra, Nodorana Tao Hong Kong

Tranga iray mampivalaketraka miresaka fanararaotana natao taminà mpiasa an-trano iray no niseho masoandro tao Hong Kong tsy ela akory izay. Miasa miaraka mba hamongotra io rafitra fanandevozan'ny andro maoderina io ireo vondronà mpikatroka mafàna fo

Iray Tapitrisa Yuan Ny Findramana Sipa Hiarahana Amin'ny Taombaovao Shinoa

"Sahirana loatra amin'ny asako aho, manery ahy hanambady i neny, izany no ikasako tsy misorona hanofa sipa ho entina any an-trano."

19 Janoary 2014

Lavin'i Cui Jian, Kintan'ny Rock Shinoa, Ny Hihira Eo Ambany Sivana

Nandà tsy handray anjara amin'ny 'gala' mandritry ny fetin-dohantaona amin'ity taona ity ilay kintan'ny rock shinoa, Cui Jian, tompon'ilay hira “Nothing to My Name” lasa hira faneva ho an'ireo hetsi-panoheran'ny mpianatra tao amin'ny Kianja Tiananmen, raha toa takian'ny manampahefana ny hanivànany ny tononkirany

18 Janoary 2014

‘Hetsika Pensilihazo Mena’ Mitaky Fahalalahan-gazety Ao Malezia

GV Mpisolovava

Gazetiboky mpivoaka isan-kerinandro naato satria nitantara vaovao momba ny fandaniana mahazatra ataon'ny Praiminitra. Ho setrin'izany, nidina an-dalambe ireo mpanao gazety mba hiampanga ny sivana mihatra amin'ny fampahalalam-baovao.

Fifandonan-Kevitry ny Hetsika #RespectMyVote (Hajao Ny Safidiko) Sy Ny ‘Bangkok Shutdown’ (Fanakatonana an'i Bangkok) Ao Thailand

Koa satria moa miditra amin'ny andro fahadimy ny fanentanana 'Bangkok Shutdown', dia mitaky ny hampanajana ny safidiny sy handray anjara amin'ny fifidianana ny Thailandey avy amin'ny faitra hafa ao amin'ny firenena.

17 Janoary 2014

GV Face: Fampikatsoana An'i Bangkok Sy Làlana Irosoana

GV Face

Anatin'ity fizaràna anatin'ny "GV Face" ity izahay dia miresaka amin'i Saksith Saiyasombut, Thai iray mitàna bilaogy pôlitika monina ao Alemaina, ary Aim Sinpeng, mpanoratray ao Thailand & Mong Palatino, lefitry ny mpamoaka lahatsoartra ao Azia.

14 Janoary 2014

SARIPIKA: Olona 20 000 Nafindra Toerana Noho Ny Fipoahan'ny Volokano Tao An-Tendrombohitra Sinabung Indonezia

Rehefa tsy nihetsika nandritra ny 400 taona, dia nipoaka tampoka ny volokano tao amin'ny tendrombohitra Sinabung tao Indonezia ka nampifindra toerana mponina maherin'ny 20,000. Efa nipoaka in-200 ny volokano tamin'ny taon-dasa

Tsy Mandray Zazavavy Ilay Sekolim-panjakana Vaovaon'ny Tontolo An-Habakabaka Ao Japana

Misokatra ny fisoratana anarana ho amin'ny sekolim-panjakana vaovao hampianatra ny tontolo an'habakabaka. Ho an'ny zazalahy irery ihany ny fandraisana mpianatra vaovao.

12 Janoary 2014

Shinoa Mpikatroka Zon'ny Vehivavy Mandeha An-tongotra 2 000 Kilometatra Ho Fanoherana Ny Fanararaotana Ara-Pananahana

Feno efa-bolana ny fitsangatsangana an-tongotra niala tao Beijing mankany Guangzou nataon'ilay mpikatroka miaro ny zon'ny vehivavy, Xiao Meili.