Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2013

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2013

11 Oktobra 2013

Tambajotra Fanaraha-Maso Ny Fandotoan-dRivotra Ao Shina: Kely Loatra, Tara Loatra?

Nidina tamin'i Beijing sy ny manodidina azy nandritra ny vakansy ny zavon-tsetroka matevina, ka nanery ny manampahefana Shinoa hamoaka ny rafitra fanaraha-maso ny fandoto [pollution]. Tsy faly ny mpiserasera.

10 Oktobra 2013

Chin Peng, Ilay Maleziana Mpitarika Kaominista : Mahery Fo sa Mpampihorohoro ?

Nodimandry ny volana lasa teo tao Bangkok i Chin Peng, Filohan'ny Antoko Kominista Maleziana kanefa dia nolavin'ny Governemanta Maleziana ny faniriany handevenana ny lavenony an-tanindrazana

Inona No Azon'i Singapore Ianarana Avy Ao Myanmar

Nilaza ilay olo-malazan'i Demokrasia Suu Kyi fa afaka hianaran'i Singapore ny fomba fiainana milamina sy fifandraisana mafana kokoa sy akaiky ao Myanmar'.

Zaza iray Amin'ny Telo Maneran-tany No Tsy Manana Soram-piankohonana

Ny tsy fisian'ny kopia nahaterahana dia mety midika fa ny zaza dia tsy afaka hisoratra anarana any an-tsekoly na mahazo fitsaboana. Tafatafa niaraka tamin'i Evelina Martelli, lehibe mpitantana ny BRAVO!, tetikasa mamporisika ny fanaovana kopia nahaterahana.

08 Oktobra 2013

Tokony Hosazian'i Brunei Ve Ireo Nahazo Vatsim-pianarana ‘Nandositra’?

Manenjika ireo mpianatra mpikaroka nahavita fianarana any ivelany kanefa tsy nody an-tanindrazana ny governemanta Brunei. Niteraka adihevitra momba ny vatsim-pianarana ao amin'ny firenena izany olana izany.

07 Oktobra 2013

Hazreen Shaik Daud: Voalohany Amin'ireo Nanova Taovam-Pananahana Manao Politika Any Malezia

Namaritra ny firotsahan'i Hazreen ho "hetsika sahisahy, marina sady henin-kaja" ireo mpampiasa aterineto sasany.

Tokony Hamaky ity Tantara An-tsarin'ny Olona iray Avotra Nandritra Ny Daroka Baomba Atomika Tany Hiroshima ity Ve Ny Zanak'i Japana?

Nahatonga resabe any Japana momba ny tokony hanehoana ny zava-nitranga ny ezaky ny tanàna iray hametra ny famakiana ny "Barefoot Gen", tantara an-tsary mizarazara ho boky maro momba ny fandarohana baomba an'i Hiroshima.

06 Oktobra 2013

Hong Kong: Manaova Tsia Amin'ny Fivarotana Sy Fanaovana Taozavatra Amin'ny Haranify

Nidina an-dalambe ny vondron'olon-tsotra mahatsiaro voakasika sy ireo ONG, ny Hong Kong for Elephants, ny 4 Oktobra tany amin'ny tanàn-dehibe mba hiantso ny Governemantan'i Hong Kong hamotika manontolo ny tahirinà haranifin'elefanta milanja 25 taonina nogiazany.

Zokiolona Miady Amin'ny Fanorenana Andrin-jiro Any Amin'ny Tanànan'ny Korea Atsimo

Maro amin'ireo mponin'ny tanàna, izay mpiompy mananika ny 60 sy ny 70 taona, no nifikitra nandritra ny valo taona mahery ankehitriny, mitanisa izay mety ho fiantraikany amin'ny fahasalamana sy maneho ny hasarobidin'ny tanin'izy ireo eo imasony izay efa nipetrahany amam-polotaonany.

05 Oktobra 2013

Azia Atsimo Atsinanana: Lasa ny Didy Jadona, Mbola Mitoetra Kosa ny Fanivanana

GV Mpisolovava

Mbola henjana ny sivana any amin'ireo firenena maro ao Azia Atsimo Atsinanana na ao anaty aterineto izany na tsia, amin'ny alalan'ny fampiasana lalàna fanaovana didy jadona sy fampanarahan-dalàna henjana ny media.