· Jolay, 2013

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Jolay, 2013

Riau, Indonezia : Zavon'ny ‘Ground Zero’ Ao Azia Atsimo

Ilay setroka mahafaty nandrakotra an'i Singapore sy ireo faritra sasantsasany tao Malayzia hita tamin'ity taona ity dia vokatry ny doro ala tao Riau, izay ao amin'ny faritra Andrefan'i Indonezia. Mazava ho azy fa nisarika ny sain'ireo filazam-baovao goavana rehetra izany, kanefa, vitsy ny tatitra mahakasika ny manjo ireo mponina ao Riau izay tena nijaly tokoa ary mbola mijaly ihany hatramin'izao noho ny vokatra naterak'ilay setroka sy ireo doro ala maro.

21 Jolay 2013

Borian'i Tailandy ny Fanampiana mikasika ny Vidim-bary

Nanambara ny governemanta any Tailandy fa mihena ny famatsiam-bola ho an'ny vary izay nomeny ireo mpamboly efatra tapitrisa. Natao hampitombo ny tahirin'ireo mpamboly izany. Manameloka ilay tetikasa fitsinjovana ny voka-bary ho niteraka ireo fatiantoka goavana ara-bola teo amin'ny sehatry ny fambolem-bary ireo mpitsikera.

19 Jolay 2013

Hala Tahaka ‘Gangnam Style’ Mampisongadina Ny Zanaky Ny Mahantra An-Tanandehibe ao Kambodza

Mbola mahoraka ato amin'ny aterineto hatramin'izao ny ‘Gangnam Style’ saingy amin'ity indray mitoraka ity dia lalaovin' ankizy 160 avy any ambany tanàna ao Kambodza ilay izy. Nahazo mpijery mihoatra ny 200.000 tao amin'ny YouTube sahady ilay halatahaky ny lahatsarin-kira nataon'ilay mpanakato Koreana Tatsimo Psy malaza dia malaza andro vitsy monja taorian'ny namoahana azy.

07 Jolay 2013