· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Mey, 2013

Hetsiky Ny Mponin'i Shanghai Hanohitra Ny Fananganana Orinasa Manao Bateria Mety Hiteraka Fandotoana

  13 Mey 2013

Mponina an-jatony ny mponina no nirotsaka an-dalambe nanavatsava ny moron-tanànan'i Shanghai tamin'ny 11 May 2013 hanoherana orinasam-panaovana bateria lithium, izay manamarika ny fihetsiketseha-panoherana faharoa ao anatin'ny herinandro miresaka amin'izay mety ho fandotoana ny tontolo iainana hitranga. Tamin'ny fanombohan'ny herinandro ny nitateran'ny [mg] Global Voices hetsika mitovitovy amin'ity tany an-tanànan'i Kunming (andrefana), izay nahitana olona...

Voatsoka Tao Amin'ny Sina Weibo Ilay Shinoa Mpanoratra Bilaogibitika Malaza

  13 Mey 2013

Nofafana tsy ho eo amin'ny tranonkala ny kaonty Sina Weibo an'i Murong Xuecun, iray amin'ny mpanoratra ao Shina anisan'ny malaza indrindra ao amin'ny firenena eo amin'ny fitsikerana ny fanaovana sivana, ka izany famafana izany dia ahiana ho ezaky ny governemanta hanenjika ny siosion-dresaka an-tserasera amin'ny fanaovana ho lasibatra ireo mpiserasera manana ny lazany.

‘Fa Inona Koa No Tadiavin'ny Shinoa?’ Lohateny Mahatezitra ny Malaiziana

  13 Mey 2013

Nisy gazety Malay an'ny antoko mitondra ny firenena, izay nandresy tamin'ny isa tery dia tery noho ny nifidianan'ny fiarahamonina shinoa niròna tamin'ny mpanohitra, namoaka ny lohateny hoe :‘apa lagi Cina mahu?’ (Fa Inona Koa no Tadiavin'ny Shinoa?), izay niteraka valy bontana avy hatrany avy amin'ireo  Malaiziana maro. BN na Barisan...

Mba Ho Heno Amin'ny aterineto: Thor, Ireo Mpanao Sangy Ratsy Ary Ireo Mpikatroka Mafàna Fo Amin'ny Fampahalalam-baovao

  12 Mey 2013

Ireo mpisera anaty aterineto, ireo mpanaitra, ireo mpanao gazety, ireo mpijirika tsy ara-dalàna ary ireo mpanao sangy ratsy dia namorona ny tontolo virtoaly vokatry ny fakàna sary an-tsaina ifotony tety amin'ny aterineto, izay mitarika antsika - mba hamerina indray ny filazan'i Michel Maffesoli - ao anatin'ny "fahaterahana vaovao mifototra amin'ny anganongano"

‘Tsunami Malayziana’ Manohitra Ireo Tsi-Fetezan'ny Fifidianana

  12 Mey 2013

An'aliny ireo olona tao Malaizia no nifamory tao amin'ny kianjaben'i Kelana Jaya izay akaikin'ny renivohi-pirenena tamin'ny 8 mey 2013 hanohitra ny vokatra navoaka farany nandritra ny fifidianana ankapobe faha-13. Nampitandrina ny governemanta fa mety hampangaina ho manao fiokoana ny nandray fitenenana sasantsasany. Nanambara ny mpanohitra fa mbola hisy ny famoriam-bahoaka hafa.

Sivanin'i Shina Ny Hetsi-Panoherana Fananganana Orinasa Shimika

  07 Mey 2013

Nidina an-dalambe ny mponina ao atsimo andrefan'i Shina ao Kunming tamin'ny 4 Mey 2013 ho fanoherana ny mety hamokarana vokatra shimika misy poizina ao amin'ny orinasa iray eo akaikiny. Araka ny nolazain'ny fampitam-baovaom-panjakana, mana-pikasana ny hanangana orinasa shimika (mpanao fanafody) eo anilan'ny tanànan'i Anning ny Vondron'Asa Nasionalin'i Shina Mpitrandraka Solika...

Fihetsiketsehana Nandritra ny Fetin'ny Asa Tao Azia Atsimo-Atsinanana [An-Tsary]

  02 Mey 2013

Manao jery tamberina ny fihetsiketsehana nandritra ny andron'ny voalohany volana mey notontosaina tany Kambodza, Filipina, Indonezia ary Singapore ny Global Voice. Ny fivoriana izay nokarakaraina hampiako ny fitakiana isan-karazan'ny mpiasa sy ireo vondrona mpiaro (misolo vava ny mpiasa) dia nilamina ihany amin'ny ankapobeny nanerana ny renim-paritra.