Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Desambra, 2012

16 Desambra 2012

Tiako i Brunei Satria….

Delwin Keasberry, fantatry ny be sy ny maro kokoa amin'ny hoe @BruneiTweet eny anatin'ny vondrom-piarahamonina aterineto Brunei, dia nangataka tamin'ireo mpanjohy azy ao an-toerana mba hibitsika ny fitiavan'izy ireo ny fireneny. Ity lahatsoratra ity dia manasongadina ny sasany amin'ireo bitsika nalefan'ireo Brunei mpampiasa twitter, izay namoaka zavatra maro mikasika ny...

Singapore: Fametraham-Pialàn'ny Filohan'ny Parlemanta Noho Ny Resa-Betaveta

Nametra-pialàna i Michael Palmer, Filohan'ny Parlemanta, rehefa avy niaiky ny fanànany raharaha maizina ivelan'ny tokantranony. Vara-datsaka ho an'i Singapore ilay fametraham-pialàna, nahatonga ny tontolon'ny fitrahana bilaogy hafanafanan'ny sahoan-dresaka samihafa.

Hatrany Ivelany Ny Fanoherana Ny Ampihimamban'ny Media ao Taiwan

Rehefa nahazo ny 60%n'ny petrabolan'ny fantsom-pahitalavitra andoavam-bola faharoa lehibe indrindra ao amin'ny firenena tamin'ny volana jolay teo ilay orinasa fanaovan-gazety ao Taiwan Want Want China Times Group, dia mbola niitatra izany izy tamin'ny volana Novambra teo, raha nahazo ny 32%n'ny petrabolan'ny gazety be mpividy indrindra Apple Daily [zh], izay an'ny orinasa miorina...

15 Desambra 2012

Jackie Chan: “Lasa Tanànan'ny Fanoherana i Hong Kong”

Niteraka hatezerana tao Hong Kong ilay mpilalao sarimihetsika sy kintan'ny haiady Kung Fu , Jackie Chan, taorian'ny nitenenany tanaty tafatafa iray hoe : “Lasa tanànan'ny fanoherana i Hong Kong, mibedibedy an'i Shina sy ireo mpitarika azy isika, mibedibedy mikasika izao zavatra rehetra izao isika ary te-hanohitra amin'izao zavatra rehetra izao."

14 Desambra 2012

Thailand: Nahoana No Nandamoaka Ny Hetsi-panoheran'ny Pitak Siam

Ny Pitak Siam (Arovy i Thailand), vondrona manohitra ny governemanta, dia nivoady ny hanetsika olona iray tapitrisa ho eny an-dalamben'i Bangkok tamin'ny 24 Novambra teo, saingy tsy nahavita namory afa-tsy 20.000. Samy nanoratra momba ilay tsy fahombiazan'ny Pitak Siam daholo ireo bilaogera, mpanao gazety sy ny eny amin'ny anjerimanontolo, ary...

13 Desambra 2012

Manampahefana Shinoa Tratra An-Tsary Nanao Firaisana Ara-Nofo Sy Ny Ady Amin'ny Kolikoly

Ny ady amin'ny kolikoly no lasa fandaharan'asa fototra ho an'ny Antoko Komonista Shinoa hatramin'ny nanatanterahana ny Kongresy Nasionaly faha-18. Nampitandrina [zh] ny mpikambana kongresin'ny antoko komonista [CCP] shinoa rehetra nandritra ny fivoriana voalohan'ny Komity Foibe ny Sekretera Voalohan'ny CCP voafidy Xi Jinping fa raha mbola mitohy ny olana momba ny kolikoly...

Fiarovana Ireo Anaovana Tsongo Dia Ao Japana

Nivory ireo vondrona miiasa sivy ambi-efapolo izay manao fanentanana hanafoanana ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy ary nanao fanambarana miaraka [ja] izy ireo tamin'ny 19 Novambra 2012, miantso ny amin'ny tokony handraisana fepetra hentitra hanampiana ireo iharan'ny herisetra sy hisorohana ny famonoan-tena ataon'ny mpitsongo dia [na mpitsongo dia]. Natao ny fanambarana taorian'ny loza niseho tamin'ny...

Mitatra Any Amin'ny Fanorenana Tranobe Raitra Ho An'ny Governemanta Ny ‘Aretin'ny Figalabonana’ Ao Shina

Tsy zava-baovao ao Shina ny tranobe mirentirentin'ny governemanta, kanefa kosa, tsy misy azo ampitahaina amin'ny tranobe vaovaon'ny governemanta ao Jinan, renivohitry ny fairtany atsinanan'i Shina, Shandong. Araka ireo tatitry ny mpilaza vaovao [zh], ny "Long Ao building" dia mitentina 4 lavitrisa RMB (640 tapitrisa dola amerikana), ary ny lehibe indrindra...

10 Desambra 2012

Resadresaka Niarahana Tamin'i Chanphal Sok: Mpanoratra sy Mpamoron-kira Kambojiana

Namakivaky ny onjam-piainana teny, nivezivezy tetsy sy teroa i Chanphal Sok toy ny zazakely niaraka tamin-dreniny mba hahita ny foto-piveloman'izy ireo. Nanoratra momba ny fiainana sarotra nodiaviny teo anelanelan'ny faritra Kampong Cham sy ny faritra Kratie tao amin'ny bilaoginy amin'ny teny Khmera i Chanphal, nampiasa bilaogy izy mba hanoratra bebe kokoaliteratiora, tantara...

Marary i Taiwan : Hoy Ireo Mpianatra Manao Hetsi-Panoherana Mantsy Ny Minisitry Ny Fanabeazana

Satria ilay vondrona media ao Hong Kong , Next Media Ltd., nanambàra ny fanapahan-keviny hisintaka ny tsena ao Taiwan, dia lasa tena faran'izay mampatahotra ny ampihimamba atao amin'ny media ao Taiwan. Mino ireo mpianatra sady mafàna fo fa marary i Taiwan ary efa miha-lò ny fototry ny fahalalahany ka dia...