· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Jona, 2011

Singapore: Fahatezerana Noho ny Fampijaliana Atao Amin'ny Be-Antitra Marary

  20 Jona 2011

Antsoina hoe Trano Fitaizan'i Nightingale ilay Toeram-pitsaboana, kanefa hita fa lavitra dia lavitra amin'i Florence Nightingale ny ataon'ny infirmiera. Tafintohina sy sanganehana ireo Singaporiana taorian’ny fahitana ilay horonantsary miafina mampiseho ny  fampijaliana natao tamin’ilay ramatoa 75 taona  tao amin’io toeram-pitsaboana io,  nalefa tao amin’ny YouTube izany ny herinandro lasa teo....

Shina: Navoaka Avy Any Am-ponja Ilay Mpisolovava Li Zhuang

  17 Jona 2011

Vitsy ny any Shina no afa-mamaky ny tohin'ny tantaran'ireo nalefa any am-ponja noho ny raharaha politika, indrindra ny hahita izany ho misongadina indrindra ao amin'ny bilaogy fanta-daza Sina. Saingy taorian'ny  fahafahan'i Li Zhuang, mpisolovava monina ao Beinjing ny herinandro lasa teo fa nahazo sazy an-tranomaizina herintaona sy tapany noho ny fanohanany ny...

Filipina: Mpanoratra tantara voahoso-potaka taminà fakàn-tahaka

  16 Jona 2011

Alfred Alfred "Krip" Yuson, mpanoratra tantara Filipiana nahazo mari-pankasitrahana, voatonotonona tamin’ny fankatahaka lahatsoratrin’ny toeram-pandraharana izay feheziny tao amin’ny toeran-pandraharana fironana vaovao iray.Indreo ny fihetsehana avy amin’ny Filipina bilaogisifera.

Kambodza: Vehivavy Mpandraharaha sy ny Valantserasera

  15 Jona 2011

Natsangana tao amin'ny facebook ny vondron'ny Vehivavy Kambodziana ao amin'ny fandraharahana ny volana Novambra 2009 mba hizarana ny traikefa ananan'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny fandraharahana sy ny hisiana tambazotra ao Kambodza. Nanomboka hatreo, dia nisy hatrany ny fivoriana notontosain'ny fikambanana izay notohanan'ny Famatsiambola Iraisampirenena ho amin'ny Fiarahamiasa ao Kambodza. Ny herinandro...

Shina: TOhodranon'i Three Gorges , Fotoana Natao Hisainana

  05 Jona 2011

Nandritra ny 17 taona nilaina nananganana azy ary mandra-pahatongan'ny fahavitany tamin'ny Oktobra2008, nidehaka i Sina fa io tetikasa io dia hiditra ao anatin'ny asa fananganana sy zava-mahatalanjona erantany. Tao amin'ny fivorian'ny komity mpitantanana ny Filan-kevi-panjakana natao ny 18 May teo, dia nisy fanambaràna iray navoaka nilaza ny voka-dratsy goavana entin'ilay tetikasa Tohodrano Three Gorges.

Mila Antenimieran'ny tanora ve i Malezia?

  03 Jona 2011

Nanao volavolan-kevitra ny hananganana ny Antenimieran'ny tanora ny praiminisitra maleziana mba hanairana sy hanentana ny tanora handray anjara amin'ny fitantanana ny firenena. Mizara ny heviny momba ity lohahevitra ity ny mpamaham-bolongana.

Shina: Fiampangana voalohany ‘Jasmin’

  03 Jona 2011

Nivoaka androany ny didim-pitsarana voalohany ilay mpikatroka miaro ny zon'ny sarambambe ao Chengdu, Li Shuangde, 47 taona, taorian'ny fisamborana sy fitazonana azy matetika nandritra ity lohataona ity.    Taorian'ny fitazomana azy nanomboka tamin'ny 23 martsa, nohelohina ho nanao hosoka “carte de crédit” i M. Li tamin'ny Alarobia teo ary voasazy higadra mandritra ny...