· Novambra, 2010

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Novambra, 2010

Japana: Haino aman-jery manao an-tendrony sy ny fandisoam-baovao

  07 Novambra 2010

Mpitoraka bilaogy iray tsy nitonona anarana ao amin'ny NewzJapan.com no mitefotefoka ny fandrakofam-baovao nataon'ny CNN momba an'i Japana. Ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Ny Halloween any Japana sy ny Tsy Fahampian'ny Firakohana nataon'ny  CNN [amin'ny teny Anglisy] nilaza ilay mpitoraka bilaogy fa dia “gaga sy nivalaketraka” tamin'ny hamaivànana...

Shina: Lisitra maintin'ireo mponin'ny aterineto

GV Mpisolovava  03 Novambra 2010

Mponin'ny aterineto 80 no nataon'ny governemanta ao Shanghai ao anaty lisitra mainty ary navoaka ho fanta-bahoaka ny anarana sy ny laharana IP ampiasain-dry zareo tao amin'ny tranonkala the Expose Channel of Shanghai Internet Social Credibility. Ny ankamaroan'ireo mponin'ny aterineto tafiditra ao anaty lisitra dia voampanga ho nanohintohina toy ny hoe ...

Korea Atsimo: Fifampitifiran'ny Super-Supermarkets (Fivarotana goavambe) any anaty Twitter

  02 Novambra 2010

Raha manao telimoka an'ireo fandraharahàna madinika ireo toeram-pivarotana goavambe, mipongatra kosa ny adihevitra mivaivay ao Korea, na io anaty aterineto na ety ivelany. Ny alin'ny 28 Oktobra, raha tao anatin'ny fandaharam-potoanan'ny Fahitalavitra lehibe iray ny fifanakalozan-dresaka mikasika ny SSM (Super SuperMarket), mpifanandrina roa goavana , ny iray misolo tena ireo mpiombon'antoka goavana ary ny iray mpiaro ny tompona fandraharahàna madinika, no nifamaky ady tao amin'ny Twitter.