· Janoary, 2008

Tantara mikasika ny Azia Atsinanana tamin'ny Janoary, 2008

Shina: Fitombon'ny mpivoivoy amin'ny aterineto

  22 Janoary 2008

Navoakan'ny Foiben'ny Fifandraisan-davitra sy filazam-baovao any Shina tamin'ny herinandro lasa teo ny mombamomba ny fivoaran'ny Aterineto any. Voambara ary fa nahatratra 210 000 000 ny isan'ny Olonineto (mpivoivoy amin'ny aterineto) tamin'ny taona 2007 ka nolazana fa ny nampitombo be dia be io isa io dia noho ny fitombon'ny tambanivohitra niditra...

Taiwan sy Shina : Gadra an-tanàna afaka

  22 Janoary 2008

Velabelarin’i Hsiang-Tai ny fiainan’ny gadra roa Hu Jia sy Zheng Jinyan izay eo ambany fitantanan’ny polisy miandraikitra ny filaminam-pirenena (tsy mitovy amin’ny teny hoe mitandro ny filaminana tsotra izany). Asongadin’ny mpamaham-bolongana Taiwaney ary fa: Raha tian’i Shina tokoa ny hiverenan’i Taiwan ho ao aminy, aza fady, tompoko, miovà aloha ianareo!...

Shina: Antontanisa mifangarika

  19 Janoary 2008

Tany amin'ny sekoly ambaratonga fototra sy ambaratonga faharoa no nanaovana fanadihadiana, ny 76%n'ny mpianatra nohadihadiana ary no nilaza fa tsy mbola tany amin'ny Mozean'ny Zavakanto mihitsy nefa ny 84% indray no mitena fa tena tiany ny Mozean'ny Zavakanto. Dia lasam-borona i Zhang-qing hoe ahoana no ahafahana tonga amin'izany toe-javatra izany (zh).( hevitry ny...

Japàna : Zom-pifidianana hoan'ireo vahiny ?

  19 Janoary 2008

James no mitatitra ao amin'ny Japan Probe ny adihevitra mikasika ny fikasana hanome ny zom-pifidianana hoan'ireo vahiny any Japàna: An article published last week in the Yomiuri Shinbun reports that the Democratic Party of Japan is attempting to pass a law that would grant voting rights to foreigners […] But...

Japàna : Amin'ny endrika vaovao

  19 Janoary 2008

I Edo no manapariaka sary HDR/GGD vitsivitsy mampiseho an'i Japàna izay nangoniny. [FANAMPIM-PANAZAVANA : ny HDR na GGD (High Dynamic Range photography | Imagerie à Grande Gamme Dynamique) dia fitambarana teknika ampiharina amin'ny sary amin'ny alalan'ny solosaina izay ahafahana manome sanda bebe kokoa ireo “pixel” tsirairay. Endrika vaovao no vokatr'izany sary izany. Tsahivina fa...

Japana: Takiana ny hahaizana teny Japoney raha hitoetra maharitra

  17 Janoary 2008

Novelabelarin'i Debito ny fanehoan-kevitra mikasika ny volavolan-dalàna napetraky ny governemanta Japoney mitaky ny fahaizan'ireo vahiny mihevitra ny hipetraka maharitra any Japana ny teny Japoney.  Notsikerain'i Ampotant ny fampitam-baovao nataon'ny BBC mampihevitra ny mpihaino fa tsy tia miresaka sy mitafatafa amin'ny vahiny ny Japoney.

Shina sy Hong Kong: Jet Li sy ny fitiavan-tanindrazana

  17 Janoary 2008

Diumanpark no namaham-bolongana momba ny resadresaka nifanaovana tamin'ilay mpilalao sarimihetsika malaza Li Lianjie fantatra amin'ny anarana hoe Jet Li any amin'ny fahitalavitra T.V interview, indrindra ny momba ny fijeriny amin'ny fitiavan-tanindrazana. Ho an'i Jet dia ny fahafaham-pieritreretana na ny fahafahana misaina malalaka no zava-dehibe kokoa (zh).

Japàna : Ireo “ampakarina” eran'izao tontolo izao

  17 Janoary 2008

I Edo no manapariaka ao amin'ny blaogy Pink Tentacle sary vitsy izay mitatitra ny fomba fijerin'ny mpakasary Japoney Kimiko Yoshida manokana ireo “ampankarina” eran'izao tontolo izao. Misy rohy mankany amin'ny vohikalan'i Kimiko Yoshida, mpanakanto “makasaritena”, izay ahitana sary 150 mahery.

Japana : tsy hividy fiara vaovao aho

  15 Janoary 2008

Ny siosion-dresaka an-dalambe no milaza fa mitotongana ny toe-karena Japoney, ary ny fihisatry ny varotra fiarakodia no antony lehibe miteraka izany. Iza no omentsiny ? Ny ankizy, hoy ny sasany, izay tsy mazoto hividy zavatra azo tsapaintanana. Nanoratra ny momba ny fihenan’ny fividianana fiara ity ny mpamaham-bolongana tamin’ity herinandro ity,...

Japàna : Fikendrena ireo Tanora

  14 Janoary 2008

I David Marx dia nanoratra lahatsoratra mahaliana mikasika ny Kolotsain'ny Tanora Japoney ao amin'ny Neojaponisme : The cover story in the February issue of Takarajima is titled “Youth are Becoming Idiots.” The small print above the title states, You see, our idiot Japanese children — spoiled by the less rigid...