Tantara mikasika ny Myanmar (Birmania)
Nivarina avy amin'ny “Mahafa-po” nankany amin'ny ‘Manahirana’ ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Hong Kong tao anatin'ny taona vitsivitsy
Nidina ambany ny laharan'i Hong Kong noho ny fampiharana ny lalàna momba ny fiarovam-pirenena sy ny fanenjehana ireo mpanao gazety.
Manao hetsika ‘Akanjo Manga’ ireo mpikatroka ao Myanmar mba hanehoana firaisankina amin'ireo gadra politika
"Nijoro tamim-pahasahiana nanohitra ny fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila ireto mpikatroka ireto, saingy toa adinon’izao tontolo izao ny momba azy ireo."
Ahoana ny fomba fahitan'ireo ‘Myanmar roa’ ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina
"Taratry ny fizarazaran'ny sata ara-politika sy ara-diplaomatika ao Myanmar ireo fomba roa samihafa ireo."
Sarimihetsika mampiseho ny fanitsakitsahana zon'olombelona sy ny fanoherana am-pahasahiana ao Myanmar
Nikarakara lisitra iray ny EngageMedia hilalaovana ireo sarimihetsika mampiseho ny haben'ny fanitsakitsahana zon'olombelona ao amin'ilay firenena, ary hatramin'ireo endrika feno fahasahiana enti-manohitra ny fanitsakitsahana tsy tapaka ny zo.
Toherin'ny mpikatroka ao Myanmar ny famarotana ny orinasam-pifandraisandavitra Telenor amin'ny orinasa mifandray akaiky amin'ny miaramila
"Tsy nifampidinihan-dry zareo ny olona manao vivery ny ainy amin'ny fanoherana ny fitondra-miaramila, izay eo am-pelatanan'ny Telenor ny ainy."
Manamarika ny tsingerin-taonan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny ‘fitokonana mangina’ ireo hery mpanohana ny demaokrasia ao Myanmar
“Nandà tsy hamela ny tenan'izy ireo ho lasa andevon’ny miaramila indray ny vahoaka, ary tsy ho kivy mihitsy”.
Mitohy ny famoretana ny fampitam-baovao mialoha ny tsingerintaonan'ny fanonganam-panjakana ao Myanmar
"Izy no mpanao gazety fahatelo novonoina tao Myanmar tao anatin'ny iray volana latsaka, mariky ny fomba tsy azo ekena mihitsy izay vao maika ampiasain’ny fitondrana miaramila."
Undertones: Herisetra an-jotra ao Myanmar, Pakistan rakotra zavo-tsetroka
Maneho hevitra ankarihary amin'ny media sosialy ny mpanohana ireo miaramila ao Myanmar, manao ho lasibatra ireo mpanohana ny demaokrasia. Ary manakombona ny feon'ireo mandranty ny haratsin'ny rivotra ao amin'ny faritra ny governemantan'i Punjab ao Pakistan.
Mya Hnin Ye Lwinn, mpilalao sarimihetsika ao Myanmar, manazava ny antony nanjohiany ny mpanohitra
"Tsy misy dikany ny fahasahiranana sedrainay isanandro raha ampitahaina amin'ny an'ireo namoy ny ainy, ireo izay nogadraina na namoy havana."
Mpiangaly rap maneho hatezerana sy fanoherana amin'ny fitondrana miaramila
"Tsy hangina mihitsy ny Hip Hip Myanmar. Miara-mivondrona izahay, tsy hoe mitovy izahay fa mitambatra ho iray."