Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Aogositra, 2017

Tantara mikasika ny Myanmar (Birmania) tamin'ny Aogositra, 2017

Lahatsary : Ireo Fandaharana Fampahafantaram-baovao Ho An'ireo Tanoran'ny Kids News Network

Manome fahafahana ireo ankizy any amin'ireo firenena samihafa mba hijery ireo fandaharana mikasika ny zava-misy natokana indrindra ho azy ireo, amin'ny fahitalavitra na amin'ny aterineto, mba ho afaka mikaroka sy mizara amin'ny aterineto ireo heviny, ny tambajotra Kids News Network.

Myanmar : Tapaka ny Aterineto

Manohana faobe an'ireo fihetsiketsehana ankehitriny ny bilaogera Birmana ary feno sary sy vaovao momba izany fihetsiketsehana izany ny tontolon'ny bilaogy Birmana. Noho izany antony izany, nanapa-kevitra handràra ny bilaogy politika, ny fitondrana miaramila, vokatr'izany, voaràra avokoa ireo bilaogy hafa ao Myanmar.

Nofonjaina Noho Ny Fanaovana Gazety: Ny Momba Ireo Mpanangona Vaovao Voatazona Ao Myanmar

Hatramin'ny Jona 2017, dimy ireo mpikambana avy amin'ny mpampita vaovao no nofonjain'ny fanjakàna.

Zavo-tsetroka Any Azia Atsimo Atsinanana

Namely an'i Singapaoro, faritr'i Malezia sy Indonezia ny zavo-tsetroka nateraky ny doro tanety tsy ara-dalàna. Ireo tantsaha no nanomboka ny afo nandritra ny vanim-potoana maina mba hanadiovana ny tany hambolena. Natevina kokoa ny zavo-tsetroka tamin'ity taona ity na dia efa namoaka ny fampitandremana momba ny fahasalamana aza i Singapaoro .