Tantara mikasika ny Myanmar (Birmania) tamin'ny Jolay, 2017
Myanmar: May Ny Tsena YadanarPon ao Mandalay
Tamin'ity herinandro ity, raha marobe ireo bilaogera mitrandraka sy miandry handray anjara na tsia amin'ny fifaninanan-tsary. Ny hafa kosa nanararaotra nampiseho ny sarin'izy ireo mivantana tamin'ny Fahamaizan'ny Tsena YadanarPon ao Mandalay.
Asehon'ny Sariitatra Ny Zava-tsarotra Atrehan'ny Tontolon'ny Fampitam-baovao Ao Myanmar
Sariitatra maromaro navoakan'ny The Irrawaddy tao anatin'ny efa-taona, nanomboka tamin'ny taona 2014 ka hatramin'ny taona 2017 izay mampiseho ny dingana lehibe sy ny zava-tsarotra niainan'ny fampitam-baovao tao amin'ny firenena.
Ny Tsenan'ny Tanànakely Thandaung Ao Amin'ny Fanjakana Shan Ao Myanmar
Ahafahana mahita tsara ny varotra ao an-toerana izany. Tonga vao mangiran-dratsy ny mpivarotra mba hanomana ny tontolo andro, ary matetika maharitra mandra-pahatonga ny mitataovovonana ny tsena.
Manao Famoretana Fampitam-baovao Tsy Miankina Ny Miaramila Ao Myanmar Ary Nisambotra Mpanao Gazety Telo
" Tsy mitombina ny fampiasan'ny mpitandro ny filaminana ny lalàna lany andro hampanginana sy hanasaziana ireo mpanao gazety izay tsy nanao heloka bevava," hoy ny toniandahatsoratra ao amin'ny The Irrawaddy.