Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jona, 2012

Tantara mikasika ny Myanmar (Birmania) tamin'ny Jona, 2012

Myanmar: Voatafika Ny Tanàna Rakhine

Tena avo dia avo ny fifanoherana any amin'ny faritra Rakhine any Myanmar taorian'ireo andiana loza mahery setra. Nokianin'ny mponin'ny aterineto ny vaovao Tandrefana 'tsy mitombina' izay nanazava ny fitohizan'ny fifanoherana eo amin'ireo vondrom-poko eo amin'ny firenena.

Myanmar: Mankalaza ny Tsingerintaona Nahaterahan'i Aung Ireo Mpampiasa Aterineto

Nandefa fiarahabana an'ilay mpitarika ny mpanohitra, Aung Suu Kyi izay any Eoropa noho ny fivoahany ny firenena voalohany indrindra taorian'ny roampolo taona izao, ireo mpampiasa aterineto ao Myanmar. Manontany tena ireo mpampiasa aterineto ny amin'ny antony tsy nandrakofan'ireo tambajotran'ny mediam-panjakana ny fanambarana nanolorana an'i Suu Kyi ny Loka Nobel an'ny...

Ny Antony Mahatonga Ny Herisetra Any Andrefan'i Myanmar.

Am-polony no maty, maherin'ny roa arivo ny trano may ary mponina telo alina no nifindra monina noho ny herisetra tao amin'ny fanjakan'i Rakhine ao andrefan'i Myanmar. Iza no tompon'andraikitra amin'ireny fahafatesana ireny ? Nahoana ny aterineto no manaparitaka fanavakavahana sy fankahalana ? Ahoana no fijerin'ny olom-pirenena tsotra ity raharaha sarotra...

Aung San Suu Kyi Nitsidika An'i Thailandy

Mbola filohan'i Etazonia i Ronald Reagan tamin’ ny fotoana nandaozan'i Aung San Suu Kyi, loka Nobel an'i Myanmar. 24 taona lasa izay. Tamin'ity herinandro ity, nanao fitsidihana tao Thailandy izy ka nikabary tao amin'ny “Forum Ekonomika Manerantany ” tao Bangkok. Ity fitsidihana manan-tantara nataon'i Suu Kyi ity no tena mibahana amin'ny fampahalalam-baovao....