Tantara mikasika ny Makaô (Shina)
Macao no Hampifandray an'i Shina amin'ny Firenena Mpiteny Paortiogey
Macao no ho tetezam-pifandraisana eo amin'i Shina sy ireo firenena mpiteny portiogey. Tian'ilay Shinoa mpitantana ny faritra ihany koa ny hanamafisana ao Macao sy ao Shina ny fianarana teny portiogey.
Ny Mety Hoavin'i Shina No Hitan'Ireo Ao Taiwan Amin'ny Hetsi-panoheran'ireo Mpomba Ny Demaokrasia Ao Hong Kong
An'arivony mahery ireo olona tonga nifamory tao amin'ny "Freedom Square" tao Taiwan mba haneho ny firaisankinany amin'ireo mpanao hetsi-panoherana any Hong Kong .
Famoretan'ny Mpitondra Ao Makaô Amin'ireo Mpikatroky Ny Demôkrasia Mitaky ny Zo Hifidy Mpitondra
Mifidy ny lehibeny amin'ny alalan'ny kaomity i Makaô, izay faritra manana rafi-pitantanana manokana ao Shina. Nikarakara fitsapankevibahoaka tsy ofisialy ho an'ny zo ahafahana mifidy amin'ny taona 2019 ireo ny vondrona telo mpiaro ny demôkrasia.
SARY: Olona Niisa 20.000, Nanao Fihetsiketsehana Tao Makaô, Nanohitra Ny ‘Volavolan-Dalàna Hanangonan-karena Hatrany Sy Tombontsoa’
Volavolan-dalàna manome alalana ny filohan'ny governemanta ao Makaô, izay faritra manana rafi-pitantanana manokana ao Shina, ho tsy azo enjehana araky ny lalàna sady manome hery azy sy ahazoany tombontsoa isam-bolana ihany na dia miala amin'ny toerany aza izy.
Hetsi-panoherana Nampandamoaka Tetikasa Fananganana Foibe Nokleary Tao Atsimon'i Shina
Taorian'ny telo andro nisesy nanaovana hetsi-panoherana, dia hita fa nandao ny tetikasany hanangana foibe nokleary ny governemanta monisipalin'i Heshan ao an-drenivohitr'i Jiangmen. Manahy izy ireo fa mety hafindra any an-toeran-kafa fotsiny ilay tetikasa, any amin'ny farihin'i Pear River Delta Atsimon'i Shina, izay tanàna isan'ny be mponina indrindra.
Sina: Tantaran'ny “Visa”
Hatraiza fotsiny ny hasarotr'izany, hoy i Chen Zikun mpitoraka blaogy ao amin'ny Sina sady mpanao gazety mahaleo tena ao amin'ny lahatsorany tamin'ny 6 Aogositra, ho an'ireo mpitety tany Sinoa te-haka...
Makaô: Mpanao politika mino ny fandrosoan'ny firenena
Leocardo [pt] no mamelabelatra ny ho avin'i Makaô sy ny mpanao politika ao aminy amin'izao fotoana izao: “Azo inoana ve ireto mpanao politika “part-time” izay mitady paika ho voafidy anatin'ny...
Shina : Rotaka teo amin'ny mpizahatany sy ny Pôlisy tany Makaô
Nisy rotaka nitranga tamin'ny Pôlisy any Makaô sy ny mpizahatany avy tamin'ny “tanibe” [Shina]. (Tamin'ny fanambarana farany, nolavin'ny mpitondra any Makaô ny fisian'izay rotaka tamin'ny Pôlisy, ambaran-dry zareo fa fanazaran-tena tsy lavitra teo...