Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2019

Tantara mikasika ny Japana tamin'ny Mey, 2019

Nampiseho tsy nahy ny fahorian’ireo mpitsoa-ponenana any Japana ny Sampandraharaha misahana ny fifindra-monina ao Tokyo

Tsy ny graffiti loatra no nokendren'ilay sioka nopaingorina fa ireo tsikera momba ny fomba fampijaliana ireo mpitsoa-ponenana, mpiasa tsy manana taratasy ary ireo olona notanan'ny sampandraharahan'ny fifindra-monina hafa.

Ahoana ny fitsidihana fiaran-dalamby ao Shina mba tsy ho voampanga ho manao fitsikilovana

Raha hitsidika hijery fiaran-dalamby ao Shina ianao dia mila mitandrina, raha tsy izany ho voampanga ho mitsikilo indostria, araka ny filazan'ilay mpitsidika fiaran-dalamby malaza sady mpisera YouTube, RailKingJP.

Ny ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Japoney

Namokatra bilaogy momba ny sakafo tamin'ny zava-niainany ilay Japoney mpanao gazety mpaka sary, Hiroshi Okamoto, izay nandeha namita asa tany Iraka tamin'ny taona 2004 ary nandany iray volana tany Samawa.

Nahoana no mitera-pihetsiketsehana ny fananganana toby miaramila Amerikana ao Henoko, Japan?

Iray amin'ireo tantara goavana indrindra ao Japan saingy zara raha taterina- na ao Japan na any ivelany- ny fanapahan-kevitra hamindra ny Toby an'habakabaka Amerikana Futenma any amin'ny faritra afovoan'ny nosy Okinawa ho afindra ao Henoko, 50 kilaometatra eo ho eo any avaratra.

Enjehin'ny alika ao amin'ny Google Street View Japan

Nalaza be tao amin'ny Twitter Japoney ny sarin'alika mahafatifaty tao amin'ny efijerin'ny Google Street View. Nozaraina in-100.000 ilay sary mahafinaritra ary niteraka fikarohana hoe aiza marina ao Japan no mety hahitana ilay sary.