Tantara mikasika ny Japana tamin'ny Desambra, 2018
Ofisialy ankehitriny: Taonan-doza Ho an'i Japana ny Taona 2018
Taorian'ny taona feno loza voajanahary tao Japana, nihevitra ny Orinasa Japoney Mpahay Kanji fa ny teny hoe «loza» no marika nifanaraka indrindra tamin'ny taona 2018.
Meksika: Nantenaina Hanova Zavatra ilay Ezaka Fandarohana Baomba
Na dia tsy nahatratra ny tanjony tao amin'ny Tanànan'i Meksika aza ilay daroka baomba, maro ireo bilaogera maminavina fiovàna. Misy ireo mihevitra fa hiova ireo lalàna, hamela ny fikarohana tsy misy didy sy ny fangiazana tsy ara-dalàna, ao kosa ireo mihevitra fa tsy ho azo antoka intsony ny fandehanana an-dàlambe
Fombafomba mampangorohoron'i Japana nampidirina ao anatin'ny lisitry ny vakoka ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanan'ny UNESCO
Matetika ny demony miditra ny trano hampatahotra ny ankizy mandra-pampitoniana azy amin'ny sake. Amin'ny endrika hafa amin'ny fombafomba, mihaza (mandroaka) ny ankizy eny an-dalambe ny demony hampatahotra azy ireny.
Japana: Grumpy Jiisan ao amin'ny Nico Nico Douga
"Grumpy Jiisan", rangahy iray mpisotro ronono avy any Arizona maneho ny heviny momba ny anime Japoney no malaza ao amin'ny Nico Nico Douga, sampana iray fizarana lahatsary malaza be ao Japana, tato ho ato. Tena malaza be ao ireo lahatsarin'i Grumpy Jiisan hany ka nahangona fanehoankevitra an'arivony.