· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Japana tamin'ny Oktobra, 2018

Shina: Misondrotra Saingy Mahatsiaro Ho Mihiboka

Voahodidin'ny 85% amin'ireo toerana mafana ara-politika manerana ny tany i Shina, hoy ny profesora ambony dia ambony iray; ary ilainy ny halalaka amin'ny fifandraisana amin'ireny sy ny olana ara-jeopolitika hafa izay atrehiny, manomboka amin'ny fidirana amin'ireo ranomasina manodidina azy.

31 Oktobra 2018

Japana: Noana Ao Amin'ny Tany Tondra-dronono

Nanainga ny blaogera japoney maro hieritreritra mikasika ny fiantraikan'ny politikan'ny fiahiana ara-tsosialy ao amin'ny fireneny ny tantara vao haingana mikasika ny lehilahy iray matin'ny hanoanana [Ja] noho ny tsy nahazoany ny fanampiana ara-tsosialy, izay lasa nalaza noho ny niraketany tao anaty diary ny andro farany niainany. Vakio ato ny sasany amin'ny hevitr'izy ireo mikasika izany olana izany.

29 Oktobra 2018

Japana: Nitsena fanoherana henjana ny fihetsiketsehan'ny ankavanana hiringiriny manerana ny firenena

Nikarakara fihetsiketsehana tao an-tanàn-dehibe manerana an'i Japana tamin'ny Alahady 14 Oktobra ireo  vondrona manohitra ny fanavakavahana mba hanakana ireo andiana diabe ataon'ny vondrona mpanavakavaka ankavanana hiringiriny ampahibemaso amin'ny fifindra-monina ao Japana, na dia nampanantena aza ny governemanta Japoney fa handray mpiasa vahiny 500.000 hanampy hiatrika ny tsy fahampian'ny mpiasa.

23 Oktobra 2018

Japana: Misedra olana ny tolona Sumo

Volana vitsivitsy henjana teo amin'ny tontolon'ny tolona sumo, "fanatanjahatena nasionaly" Japoney. Voalohany,  niverina tao amin'ny tanindrazany ilay mpitolona Mongoliana, Asashoryu, iray amin'ny yokozuna (kilasy ambony indrindra amin'ny tolona) mba ho tsaboina noho ny fikorontanana ara-tsaina vokatry ny fanakianana fa tsy nahavita ny adidiny izy.

10 Oktobra 2018