Tantara mikasika ny Japana tamin'ny Novambra, 2016
LAHATSARY: Nahoana no Mafana Ny Saka Japoney Mandritra ny Ririnina? Mibonoka ‘Kotatsu’, Tahaka ny Olombelona Ihany
Maneho sarin'ny fahazoana aina sy ny hafanana ny teny kotatsu, ary tsy ho an'ny olombelona ihany.
Izao Tontolo Izao Araka Ny Fomba Fijery Rosiana Mahazatra
Tamin'ny fiandohan'ny volana Novambra, nanamarika tampoka ny fanohanany ilay lalàna federaly vaovao natao mba hanazavana ny faneken'ny governemanta ofisialy "ny firenena Rosiana" i Vladimir Putin.
Velona Ao Amin'ny Aterineto Ny Taompolo 1990 Tao Japana Noho Ny Sangan'asan'ny Lehilahy Iray
Manome topi-maso mahafinaritra momba ny fiainana tao Japana nandritra ny taompolo 1990 ny tranonkala goavan'i Lyle Hiroshi Saxon.
Manasongadina ny Olana Fototry ny Tsy Fahalalàna Tantara Ny Fitafian'Ilay Tarika Mahalefaka Japoney Mitovy Amin'ny Fanamian'ny Nazi
Noheverina ho mahafinaritra tamin'ny voalohany ireo fitafiana iraisan'ny Keyakizaka46 niatrika ny Halloween. Saingy nisy ny olona nanamarika fa mitovy amin'ny fanamian'ny Nazi ireo fanamiana ireo. Ampy na tena izy ve ny fialantsiny?
Nanao Ahoana Ny Fihetsik'i Japan Tamin'ny Fandresen'i Donald Trump
Mahatonga fanontaniana maro mila valiny haingana ho an'i Japan ny fahazoan'i Donald Trump ny prezidansa.
Fararano ao Kyoto, Midika fa Vanim-potoanan'ny “Ravina Mikasaotsaoka”
Indro ny sasany amin'ireo sary Instagram mampitolagaga indrindra momba ny fararano any Arashiyama, ao amin'ny faritra andrefana manodidina an'i Kyoto.
Mpiari-Tory An'arivony Mitafy Halloween No Mifety Eny Amin'ny Lalamben'i Tokyo
Nitombo ny lazan'ny Halloween tany Japana tao anatin'ny taona maromaro. Tamin'ity taona 2016 ity, betsaka kokoa ny vola nolaniana tao Japana tamin'ny Halloween noho ny tamin'ny andron'ny mpifankatia.