Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2016

Tantara mikasika ny Japana tamin'ny Mey, 2016

Ny Fiovàn'ny Hatsaràn'Endrika sy Bika Tao Japàna Tato Anatin'ny 100 Taona

Miainga avy amin'ny volo lava mankany amin'ny fohy, avy any amin'ny ankosotra matevina ka hatramin'ireo tsotsotra, nandalo fiovàna mahavariana ny fikolokoloana hatsaràn-tarehy tao Japàna tato anatin'ny 100 taona farany.

‘Tsy Tiako Ho Voan'ny Homamiadana Toa Ahy Ny Ankizy, Na Iza Izy Na Iza’, Hoy Ny Mponina Iray Tao Fukushima

Nitafa taminà vehivavy tanora iray voatily ho voan'ny homamiadan'ny tiroida, avy ao amin'ny Prefektioran'i Fukushima, teboka aotra nipoiran'ilay loza nokleary tamin'ny Martsa2011 ny mpamokatra sarimihetsika tsy miankina iray.

Tanàna Japoney Nampiasa Sary Navoakan'ny Mampatahotra Solosaina Hampianarana Ny Mponina Hanavotr'Aina Amin'ny Tsunami

Fantatrao ve hoe aiza no ihazakazahana andosirana raha mandondona ny tsunami? Nanao "simulation" ny tanànan'i Kamakura hanampy ny mponina amin'ny famaliana izany fanontaniana izany.

Tahirin-Tsary Bobaka Ahitana an'i Shina sy i Japan Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa

Kaonty Twitter roa manolotra ireo jeritodika ilaina indrindra raha miresaka ady lehibe faharoa tany Shina sy ny ambin'i Azia.

Sarin-Janabolana Avy Amin'ny Google Mampiseho Ny Fahapotehana Vitan'ny Fihontsahan'ny Tany Taorian'ny Fihovitrovitry Ny Tany Tao Japan

Farafahakeliny 49 ny isan'ny olona matin'ny fianjeran'ny tranobe sy fihontsahan'ny tany maro, ary an'aliny ireo tsy maintsy nafindra toerana vokatry ny fiverimberenan'ny vokatry ny fihovitrovitry ny tany mahery vaika.

Fantaro Ilay Kintan'ny Youtube Ao Japàna

Iza no iray amin'ireo kintan'ny Youtube malaza indrindra tsy mbola renao? Torohevitra iray ity: any Japàna izy no monina.

Dimy Taona Lasa Izay, Noravaravain'ny Tsunami i Japan, Manao Jery Todika Ny Mpanatontosa Sarimihetsika Iray Ankehitriny

Namokatra lahatsarim-panadihadiana maharitra ora iray miresaka ny tolona isan'andro ataon'ny mponina amin'ny tanàna kely iray hanorina ny tanànany indray taorian'ny fandravaravana nataon'ny Tsinami an'i Japan tamin'ny 11 Marsa 2011 ilay Kanadiana mpanatontosa filma antsoina hoe Estelle Herbert.

Martsa 2016, Manamarika Ny Fotoam-panovàna Sy Hatezerana Ho An'ny Fahitalavitra Japone

Ampiasain'ireo Japone mpanao fandaharana efa hiala ireo fotoana sisa nahafahany niseho mba hanasongadinana ny jadona tsikelikely ataon'ny governemanta Japone amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety.