Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2015

Tantara mikasika ny Japana tamin'ny Marsa, 2015

Nanaiky Hiditra Finday Ihany Ny Nintendo Rehefa Nanosi-Bohontanana Nandritra Ny Taona Maro

Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, nanambara fiarahamiasa amin'ny mpikirakira lalao amin'ny finday DeNa ny Nintendo. Araka ny fifanekena, hampiasa ireo karazan-dalao sy kisarin'olona malaza amin'ny Nintendo ny DeNA hamoronana lalao vaovao tanteraka.

Katsuo Ningen, Lohan-trondro Notapahana Miendrika Olombelona Mambabo Ny Fon'ny Japana

Ao amin'ny firenena zatra sarim-biby famantarana (maskoty) hafakely, na dia ny Japoney aza somary gaga tamin'ny "Lehilahy Bonito," fantatra kokoa ao amin'ny firenena ho Katsuo Ningen, izay misolotena ny prefektiora lavi-dalana mitoka-monina indrindra ao Japana.

Filma Mampiseho Ny Fiainan'ireo “Mpiasa Antselika ao Japàna” Mialokaloka any amin'ny Cybercafe

Tamin'ny tapaky ny taona 2000, nanomboka nampiasa ireo toerana, efitra kely manokana ao amin'ny cybercafe, ho toeram-ponenana ireo mpanjifa mpandray vola kely tsy manampahafahana akory na dia hanofa trano aza.

Balafomanga Mandeha Amin'ny Vatomamy? Nekena ny Fanamby!

Olona manerana an'i Japana no nandray anjara tamin'ny Tetikasa Balafomanga Vatomamy, miditra an-tsehatra amin'ny fandefasana balafomanga. Nampiakatra ny vokatra azo tao amin'ny lahatsary Youtube ny mpanamboatra vatomamy UHA Mikakuto .

Herinandrom-Piainan'Ilay Lehilahy Mpikarama Isam-Bolana Ao Tokyo

Nalaza tao amin'ny aterineto ny lahatsary vao haingana nampiakarin'ilay vlogger YouTube mavitrika "Stu in Tokyo", izay nahatratra maherin'ny atsasaky ny tapitrisa sahady ny nijery izany. Manasongadina ny ora fiasana lavabe ao Japana, sy ny famahan'ny governemanta ny olana ny lahatsary

Manaratsy Endrika Fotsiny An'i Japana Ny Fandàvany Ny Andraikiny Naka Olona Ho Andevon'ny Filàn'ny Nofo Tamin'ny Ady Lehibe Faharoa

"Arakaraky ny ilazanareo fa “Tsy misy olana, satria makorelina ry zareo ireny. Sy hoe fifanarahan'olon-tsotra no nitondra azy ireny, fa tsy ny miaramila Japoney," no vao mainka manaratsy endrika anareo"