Tantara mikasika ny Japana tamin'ny Novambra, 2013
Nankatòavin'ny Antenimieram-pirenena Ny Volavolan-dalàna Mikasika Ny “Tsiambaratelom-panjakana” Ao Japana
Nankatòavin'ny Antenimieram-pirenena ao Japana ny volavolan-dalàna mampifanditra momba ny Fiarovana ny tsiambaratelom-panjakana tamin'ny Talata 26 Novambra na dia teo aza ireo tsikeran'ny mpanao gazety sy ny mpiaro ny zon'olombelona.
Mivadika Ho Kisarisary Mahatsikaiky Ilay Tantara Ratsy Momba Ny Trosan'ny Governoran'i Tokyo
Miala tsiny amin'ilay tantara ratsy mikasika vola notrosainy ny Governoran'ny tanànan'i Tokyo. Noraisin'ireo mpampiasa Twitter ao Japana ho vazivazy izany.
Vetivety Dia Manjavona Ireo Mpanao Tofu Mahaleotena Ao Japana
Eo an-dalam-pahaverezana ireo mpanamboatra tofu netim-paharazana ao Japana izay miezaka mifanina amin'ny tofu mora vidy eny amin'ny magazay lehibe.
Hisorohana Ny Fahapoizinana Amin'ny Merkiora, Firenena 92 Nanasoania Ny Fifanarahana “Minamata”
Nolaniana tao Minamata, Japana ny Fifanarahana Minamata momba ny Merkiora, fitaovana iray iraisam-pirenena mamepetra mikasika ny merkiora. Manantena ny mba ho fantatra noho ny fitadiavana vahaolana ankehitriny ilay tanàna izay fantatra hatrizay noho ny loza mahatsiravina nanjoa azy.