Tantara mikasika ny Japana tamin'ny Jolay, 2010
Japana: Fihaonana eo ambany lanitra rakotra kintana
Jereo ny lanitra amin'ny alin'ny 7 Jolay satria mandritra io alina iray ihany ao anatin'ny taona, no voatendry fa hihaonan'ireo kintana roa Vega sy Altair, araka ny lovan-tsofina.
Japana: Ilay Mahery fo, Sakamoto Ryoma
Matoky tena, hentitra sy to teny, ary kinga fatratra, Sakamoto Ryoma (坂本龍馬) dia iray amin'ireo olon'ny tantara tian'ny Japoney indrindra foana. Vao nanomboka nandefa ny tantara mitohy Ryomaden (龍馬伝: 'Ny tantaran'i Ryoma') ny NHK tamin'ny volana Janoary, dia teraka ny fankafizana an'i Ryoma manerana ny firenena.
Japana: Nodimandry i Kazuo Ohno, fanta-daza amin'ny Butoh
Kazuo Ohno, manan-talenta fanta-daza ary iray amin'ireo ray mpamorona ny Butoh, dia nodimandry tamin'ny 1 Jona teo amin'ny faha-103 taonany. Ny Butoh dia dihy fiomanana niforona tany Japana taorian'ny Ady Lehibe Faharoa, miavaka amin'ny fandokoana ny vatana ho fotsy sy ireo fihetsika maneho hevitra sy fijaliana.