Tantara mikasika ny Hong Kong (Shina) tamin'ny Oktobra, 2014
Voaràra ny Fanaovana Fihetsiketsehana Ao Thailandy, Saingy Nataon'Ireo Mpianatra izany Hanohanana ny Hetsika Ao Hong Kong
Namoaka lalàna fandraràna fivorian'ny olona dimy noho mihoatra ny miaramila Thailandey, izay nandrombaka fahefana tamin'ny volana Mey lasa teo. Saingy tsy manakana ireo mpianatra haneho fanohanana hoan'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Hong Kong izany.
Hetsika Manohana ny Demaokrasia ‘Occupy Central’ ao Hong Kong An-Tsary
Mbola nahajoro teo amin'ny toerany hatramin'izao ny fihetsiketsehana nahazo olona betsaka manoloana ny fikasan'ny polisy hanadio ny toerana tamin'ny alalan'ny entona mandatsa-dranomaso, tsifotra dipoavatra ary ny kibay. Avy amin'ny fampiasana elo no nahavitana izany tamin'ny ampahany.
Mitifitra Baomba Mandatsa-dranomaso Amin'ireo Mpanao Fihetsiketsehana Milamina Manohana Ny Demaokrasia Ny Polisin'i Hong Kong
Notsenain'ny kibay, baomba mandatsa-dranomaso sy tifitra sakay ireo mpanao fihetsiketsehana mitaky fifidianana madio ara-demaokratika ao Hong Kong tamin'ny andro faharoan'ny fihetsiketsehan'izy ireo ao an-tanàn-dehibe.