Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Marsa, 2019
Shina: Tranonkala maherin'ny iray hetsy no nakatona

Midika izany fa hahatonga ny fiharian'ny olona miasa tena amin'ny aterineto ho tsy azo tanterahana ity politika vaovao ity.
Shina: Spam politika ao amin'ny Twitter

Fomba iray mahomby amin'ny fizaràna vaovao ivelan'ny tambajotra sosialin'ny mpiserasera ny rafitra "tag" (fanamarihana) ao amin'ny Twitter. Na izany aza, mora hiharan'ny hafatra spam ny rafitra. Any amin'ny firenena tandrefana, tarihin'ny tombontsoa ara-barotra ny ankamaroan'ireo mpanao spam, raha fitaovana ara-politika hanakorontanana ny fivezivezem-baovao kosa izany any Shina.
Shina: Nakaton'ny polisy ny sekolin'ny fijirihana

Raha nivadika ho fahatafintohinana iraisampirenena ny zava-nitranga fijirihana ny Google dia namoaka ny vaovao ny China Daily News fa nopotehin'ny polisy Shinoa ny sekolin'ny fijirihana lehibe indrindra ao amin'ny firenena. Toa milaza ny tatitra fa raharaham-barotra tsy miankina ary tsy misy ifandraisany amin'ny governemanta ny fijirihana.