· Febroary, 2019

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Febroary, 2019

Voafetra ve ny asa fanaovan-gazety any Taiwan ?

GV Mpisolovava  13 Febroary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nilaza ny tatitra fa mametra ny asa fanaovan-gazety i Taiwan ary nahemotry ny Freedom House ny laharan'ity firenena nosy ity tao amin'ny tatitra momba ny fahalalahana an-gazety manerantany isan-taona. Araka ny The Christian Science Monitor “Freedom of speech and press...

Shina: Mandeha dia mikatona ny Youtube

GV Mpisolovava  11 Febroary 2019

Voalaza fa nikatona nandritra ny roa andro (4-5 Marsa) ny Youtube tao Shina. Araka ny filazan'i William Long, tsy tafiditra tao amin'ny tranonkala youtube ny mpiserasera nanomboka ny 4 Marsa tamin'ny 8 hariva. Niverina ny tranonkala ny sasakalin'ny 5 Marsa, saingy araka ny filazan'i Shizhao (tao amin'ny twitter), naharitra 10 minitra ihany no fahazoana niditra tamin'izany.

Shina: Miantso an'i Guo Baofeng hiverina hody hisakafo hariva!

GV Mpisolovava  11 Febroary 2019

Notazonin'ny polisy Mawei ao Fujian nandritra ny herinandro mahery ilay bilaogera Peter Guo Baofeng. Araka ny tatitry ny twitter (efa voasakana), Nangataka tamin'ireo enina notazonina mba hanasonia fiaiken-keloka sy hiaiky fa nanao heloka bevava amin'ny fanalam-baraka sy fanaparitahana tsaho ho takalon'ny famotsorana azy ireo ny polisy ao Mawei.

Shina: Hanadio ny aterineto?

GV Mpisolovava  08 Febroary 2019

Araka ny filazan'ny Beijing News sy Mingpao androany, manomana hanadio ny aterineto manontolo noho ny filazana fa fielezan'ny pôrnôgrafia amin'ny fitaovana finday ny Ministeran'ny Indostria sy ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao (MIIT).

Nosamborina ny mpanorina ny Uighurbiz.cn

GV Mpisolovava  08 Febroary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Tao amin'ny twitter, marobe ny sioka niverina nilaza fa notazonina i IIham Tohti, mpampianatra Uighur ao amin'ny Oniversite Minzu ao Shina sady mpanorina ny Uighurbiz.cn. Araka ny fanambarana an-gazety nataon'ny Governoran'i Xinjiang Nur Bekri, notarihan'ireo Uighur sesitany tamin'ny alàlan'ny...

Shina: Mpiserasera voasambotra noho ny tantara fanolanana tao Fujian

GV Mpisolovava  07 Febroary 2019

Omaly (16 Jolay) vao maraina, nandefa hafatra antserasera tao amin'ny twitter hoe: "nosamborin'ny polisin'i Mawei aho, SOS" ilay mpisera twitter amoiist. Ary ny hafatra faharoa dia: "ampio aho azafady, azoko ny telefonina nandritra ny torimason'ny polisy". Nanomboka teo dia tsy nisy intsony ny vaovao farany tao amin'ny twitter-ny.

Shina: Fanesorana ireo vondrona antserasera (E-group) ao amin'ny Douban.com

GV Mpisolovava  06 Febroary 2019

Voatery nanakatona ny sasany tamin'ireo vondrona antseraserany ny Douban.com,  iray amin'ireo tranonkala Web 2.0 malaza indrindra ao Shina noho ny fanentanana manohitra ny Smuts vao haingana. Na dia izany aza, ara-tsosialy sy ara-politika amin'ny endriny fa tsy baranahiny na tsy mendrika ny ankamaroan'ireo vondrona antserasera nofafana.