Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jolay, 2008

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Jolay, 2008

07 Jolay 2008

Shina : Mivonòna sahady ny hijoro vavolombelona amin'ny fahatongavan'ny lalao Ôlaimpika

Efa nilaza sahady i Zuola izay vavolombelona mpitatitra eto amin'ny Aterineto fa isan'ireo ho any an-toerana izy [zh], ho tonga any koa ireo mpanao vy very ny ainy ara-pivavahana, ary toa  eo am-pikatsahana mpanatri-maso avy any an-toerana ireo gazety vahiny, ary ireo vohikala mpivoy ny web 2.0 dia mihevitra fa misy lahatsary blaogy ara-tsary...

06 Jolay 2008

Shina : Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana

Mety iharan'ny fandraràna ny fanaovana tatitra ara-blaogin-dahatsary [Vlogging] manodidina ny lalao Ôlaimpika (araky ny fiheveran-dry zareo), ary manantena ry zareo fa tsy hahakasika ny tolotry fringsters izany izay vao nametraka tolotra vaovao Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana hoan'ireo rehetra izay mitatitra ara-blaogin-dahatsary ny lalao Ôlaimpika.

05 Jolay 2008

Beijing : Fepetra vaovao hiadiana amin'ny fandotoana ny tontolo iainana

Araka ny nolazain'i Danwei dia namoaka lalanan'ny fifamoivoizana vaovao ny ao Beijing izay ampiharina mandritra ny lalao Olympika. Ankoatra ny fepetra hafa, dia ny fiara mitondra laharana miafara amin'ny isa tsy an-kasa ihany no afaka miriaria manomboka ny faha-20 Jolay hatramin'ny faha-20 Septambra 2008. Araka ny vinavinan'ireo tompon'andraikitra moa dia...

Shina : Raràna ny fanaovana tatitra ara-blaogin-dahatsarin'ny manodidina ny lalao Ôlaimpika

ProState in Flames izay mpitatitra an-gazety sy mpiblaogy no mitatitra mikasika ny fanambarana nataon'i Xu Chao, izay tale jeneralin'ny sampan-draharaha misahana ny zon'ny mpamorona [copyright] izay nanambara fa raràna ny fakana lahatsary manodidina ny lalao Ôlaimpika mba hanapariahana azy amin'ny blaogy, satria heverina ho tsy fanajana ny zo mifehy ny...