· Avrily, 2008

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Avrily, 2008

Shina: Ny fiantraikan'ny fihetsiketseham-panafahana an'i Tibet

  16 Avrily 2008

Nampangotrangotraka ny fihetseham-pom-pitiavan-tanindrazana shinoa fatratra ny filaharam-panoherana ny shinoa tamin'iny herinandro lasa iny. Hany ka raha nisy zatovovavy mpianatra any etazonia “tratra” nandray anjara tamin'ny fihetsiketseham-panafahana an'i Tibet dia anjatony ny mpiserasera nanompa azy araka izy any an'eritreriny any.

Jamaika, Shina: Ny politikan'ny fanatanjahantena

  11 Avrily 2008

“Inona moa no lazainy momba antsika raha ataontsika ho faralahim-pahamehana ny zon'olombelona fa zarantsika aza mijery fandaharana amin'ny fahitalavitra mandritra ny roa herinandro? Raha tsy fantatrao izay ataon'i Shina any Tibet dia tsy mametraka antsika ho tompon'andraikitra mihitsy ve izany?”: Nifantoka tamin'ny politikan'ny lalao olaimpika ho avy io ny resak'ilay...

Shina: fiarovana ny voninahi-pirenena

  11 Avrily 2008

Itrikitrihin'i ESWN fa loza mitatao eo amin'ny fifandraisan'ny vahoaka anararaotan'ny hevitra ifampizaran'ny maro an'isa any Shina hiarovana ny voninahim-pirenena ny fihetsiketseham-panoherana mihatra amin'ny afo olaimpika. Nandika  tati-baovao roa amin'ny teny shinoa roa miresaka ny fihetsiketseham-panoherana ny fandalovan'ny afo olaimpika ny lehilahy.

Timor atsinanana: Inona no lazain'ny mpiresaka momba an'i Tibet?

  10 Avrily 2008

Tamin'ny fivoahan'ny lahatsarin'ny Guardian momba ny toe-draharaha tany Tibet no namoahan'i Daniel Arruda [pt] ny heviny: “Mazava be ny fitsarana:'Tsy tian'i Shina ho fantatra ny zavamisy marina any Tibet’ na ‘manomboka miasa ny fampielazan-kevitry ny Shinoa praopagandy’.” Lahatsary mampiseho hoe hatraiza ny hamaroan'ny mpamoaka hevitra aty amintsika no miezaka handà...

Kiobà: Shina – Tibet, fanehoan-kevitra

  09 Avrily 2008

“Araka izay efa mety ho renao, dia nahomby ny fanembatsembanana nataon'ny mpilahatra an-dalambe, miantso ny Shina Komonista hanaja ny zon'olombelona sy hiala an'i Tibet, nandritra ny fampitana ny afo olaimpika tany amin'ireo tanàna Eoropeana lehibe.” : Nifantoka tamin'ny fanehoan-kevitry Kiobà ny Zanaky ny Revolisiona (Child of the Revolution).

Shina: Eritreritry ny Moanina Tibetana iray

  09 Avrily 2008

Nitatitra indray mandeha ny lahatsoratra nosoratana Moanina Tibetana iray mikasika ny raharaha tamin'ny 14 marsa lasa teo i Woser. Nokianiny avokoa na ny fihetsiketsehana miharo herisetra na ny fanamelohana nataon'ny governemanta Shinoa ny Dalai Lama [zh] ka nahavery ny marina (mody tsy ilazana hoe nanolana ny marina).