Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Kambodza

Kambodza: Volavolan-dalàna iray mamono ny fahalalahan'ny Aterineto

Ireo mpanao Aterineto Kambodziana sy ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona dia manameloka ny volavolan-dalàna iray hiadiana amin'ny heloka an-tserasera ahitàna ireo fepetra izay mety hanohintohina ny fahalalahana maneho hevitra.

Nahenan'i Kambodza ny isan'ny andro tsy fiasana ho an'ny daholobe mba hisarihana asa saingy mampanahy ny mpikatroka ho manimba ny demokrasia izany

"Maneho ny tsy fahavononan'ny governemanta hampiroborobo intsony ny demokrasia ny fanesorana ny Andro Fifanarahana ho amin'ny Fandriampahalemana tany Paris sy ny Andro ho an'ny Zon'olombelona amin'ny lisitry ny andro tsy fiasana ho an'ny daholobe ."

Ao amin'ny tanàna iray mitsingevana any Kambodza, manalavitra tsikelikely ny sekoly ny ankizy

"Tsy afaka manenjika ireo mpianatra hafa ny sasany amin'ireo ankizy ka manapa-kevitra ny hijanona ary handeha hiasa."

Mahatsiaro adinoina ny mponina dimy taona taorian'ny fielezan'ny tsimokaretina VIH tany amin'ny kaominina Kambodziana iray

"Nitombo ny fanampiana nasionaly sy iraisampirenena ho azy ireo rehefa niseho ny fielezan'ity otrikaretina ity. Toa nangina anefa izany taty aoriana."

Kambodza: Khmer-Amerikana olomalaza nasongadina tao anatin'ny Vondrom-piarahamonina Weblogger

Teraka tamin'ny 1983, Soben Houn, izay hita teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena amin'ny maha Oliravina Utah USA 2006 azy, nisolo tena ireo vondrom-piarahamonina Kambodziana-Amerikana ary Kambodza manontolo. Amin'ny maha-malaza azy, izy no hanome lanja ny fampianarana ambony ao anatin'izao vanim-potoana nomerika izao. Ary mikatsaka ny handray anjara amin'ny Oliravina USA 2006...

Azia Atsimo-Atsinanana: Fitsangantsanganana An-Tsambo Mampanonofy sy ny Finamanana

Mandraisa sambobe fitsangantsanganana iray tsara tarehy, fenoy tanora 300 mafana fo avy amin'ny Fikambanan'ireo Firenena ao Azia Atsimo Atsinanana (ASEAN), ataovy ao koa i Japana, ary ireo hetsika ara-kolontsaina sy sosialy, dia afangaroy ao. Vokatra azonao: fifamatorana mafy sy finamanana mandra-maty

Namoaka ny vokatry ny fanivanana ao Azia ny OpenNet Initiative

Nanao fikarohana momba ny aterineto ao Azia sy manerana izao tontolo izao nanomboka tamin'ny taona 2002 ny OpenNet Initiative (famoahana feno: nandray anjara koa aho), ary vao haingana no namoaka ny tatitra farany momba ny fanarahamaso sy ny fifehezana ny aterineto any Azia, ary indrindra any Shina.

Ahoana ny fomba hanairan'ny anganom-bahoaka voatahiry ny ikajiana ny tontolo iainana ao Mekong

"Ny dikan'ny tantara; ny fitadiavan'ny vondrom-piarahamonina fomba hifankazarana na ifaharana manoloana ireo fiovana hita eo amin'ny fivarinan-dranon'ny renirano Mekong."

Ireo Nisongadina nandritra ny Fetiben'ny Rano tao Kambodza

Notanterahina ny 15-17 Novambra ilay Fetiben'ny Rano ("Bon Om Tuk"), fetibe mihetsiketsika indrindra ao Kambodza. Araka ny voalazan'i Jinja, manamarika ny fiandohan'ny maintany sy ny Bon Kathan (fomba Bodista fatao isan-taona izay anomezana akanjo rebareba vaovao ho an'ny moanina) io Fetibe io.

Miady ho an'ny fahalalahana maneho hevitra ireo zanakavavin'ilay mpikatroka ny zon'olombelona Kambodziana nogadraina

Any Etazonia ireo zanakavavin'ilay mpikatroka ny Zon'olombelona Kem Sokha, Kem Monovithya, 24 taona, sy Kem Samathida, 18 taona,  miara-miasa amin'ny Amerikana Kambodziana mba ahazoana fanohanana amin'ny famotsorana ny rainy ary hisarihana ny saina amin'ny famoretana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny demokrasia ao Kambodza.